Mois : mars 2025

Ramarolahy Marvross: “Azo baikoina avokoa ny karazana alika rehetra”

Anisan’ireo biby tsy mifankafoy amin’ny olombelona ny alika. Maro karazana izy ireo eto Madagasikara. Maro ny tsy mahafantatra fa azo atao tsara ny mibaiko sy mifehy azy ireny. Biby miavaka eny amin’ny fiarahamonina ny alika. Nisy ny fanadihadiana natao omaly, teny Ambo­hija­tovo, tamin-dRafe­no­miarintsoa Mavross Rama­rolahy, mpibaiko alika na Maître chien. […]

INDRAY MIJERY

Tombanana hiverina an-dranomasina indray ilay rivodoza Jude manomboka ny alakamisy vao maraina ary manambana ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy. Hiteraka alondrano any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo andrefana izy manomboka ny alakamisy. Hahery ny ranomasina ka hahatratra 4m ny haavon’ny onja ny alakamisy, eo anelanelan’i Besalampy sy Toliara. Notokanana […]

Fivama : “Iankinan’ny fahaleovantena ny fahatokisan-tena”

Nanamarika ny Andron’ny vehivavy ny fikambanan’ny Vaiavy Mandritsara eto Anta­nanarivo (Fivama), ny faran’ny herinandro teo, tetsy Andra­nomena. Fampiofanana sy fizarana traikefa no nataon’ny samy mpikambana niaraka tamin’ireo matihanina amin’ny fizarana fahaiza-manao tamin’izany. “Antoky ny fahaleovantena ny fananana fahatokisan-tena, izany indrindra ny anton’ny fampiofanana ireo mpikambana”, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, […]

Mahajanga: Tanora 20 nahazo mari-piofanana

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), vehivavy tanora miisa 20 no notolorana mari-piofanana tamin’ny sehatry ny tourisme villageois, tany Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo. Nisitraka « kit de démarrage », ahitana spatule, rouleau, bol inox, moule à pain, lafaoro […]

Fiofanana Hope tany Mahajanga: Nampahafantarana ny tanjona mila tratrarin’ny zatovovavy

Anisan’ny voaasa manokana nanatrika ny lanonam-pankalazana ny Andron’ny 8 marsa sy nitondra ny hira “Efa niova” ny Cabinet Henka Suru. Lasa hira fanevan’ireo zatovovavy miisa 300 io hira io taorian’ny roa andro nanaovana ny fiofanana. Namaranana ny fankalazana ny Andro maneran-tany momba ny zon’ny vehivavy, ny faran’ny herinandro teo, tany […]