Mois : mars 2025

TARATRY ny KANTO

Tanterahina eto Antananarivo ny dingana faharoa amin’ny « Poésie des 4 Horizons ». Nanomboka ny 2 marsa teo, tsy hifarana raha tsy ny 9 marsa. Hafatra ho an’ny fandriampahalemana, antso ho an’ny tanora no hampitain’ireto mpanoratra mandalo eto Madagasikara ireto. Ny 7 marsa izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny Cité […]

Faribolana Sandratra : Andiany faha-XIII ny « Zarafanahy »

Anisan’ny miavaka eo amin’ny hetsika fanao sy manandrify ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia » ny « Iray volan’ny poezia » fanaon’ny Faribolana Sandratra. Ho an’ity taona ity, tafiditra ao anatin’ny andiany faha-XIII ny « Zarafanahy ». Seho an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy Analakely, ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Amin’ny […]

«Amitié Evangélique Awards » : Rija Rasolondraibe, mpanakanto evanjelikan’ny taona 2024

Tsy nahagaga loatra raha ny zava-bitany ho an’ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara. Nahazo ny fankasitrahana ho mpanakanton’ny taona 2024 i Rija Rasolondraibe. «Izay vonona no mandeha ». Hiran’i Rija Rasolondraibe anisan’ny nisongadina indrindra tamin’iny taona 2024 iny io. Tsy izay ihany anefa no nahazoany ny mari-pankasitrahana ho « Mpanakanto evanjelikan’ny taona 2024 », fa […]

FANTINA sy FINTINA

Nametraka fanamby amin’ny fanomanana ny fandraisana ny fivoriam-ben’ny firenena eto anivon’ny ranomasimbe Indianina (COI) ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nambarany tamin’ny fananganan-tsaina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna izany, omaly. Nanteriny koa fa hiatrika fivoriana handinihana ny tetibola ny filankevitry ny Tanàna. Naneho ny firaisankina ny any amin’ny faritra Menabe sy […]