Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko MFM ary mitondra sosokevitra sy vahaolana hatrany. Nambaran’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Ignace, fa tonga ny fotoana hametrahana ny fahaleovantenan’ny faritra. “Hitondra filaminana sy fivoarana ary fampandrosoana malaky ho an’ny mpiray firenena ny firosoana amin’izany. Miantso ny mpiray firenena rehetra izahay hiroso amin’ny […]
Mois : mars 2025
Malina hatrany
Mbola mitohy ny voka-dratsin’ny rivodoza Honde any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Miakatra izaitsizy ny rano ary mihadobo ny tanàna maro. Mivadika ny rasa, tsy ny haintany intsony no ahafantarana ny any atsimo, fa misesisesy ny tondradrano. Maro ny trano rava. Maro ny rava fananana. Efa isan-taona no lalovan’ny rivodoza […]
Ceni : “Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra”
Nitondra ny fanehoan-keviny momba ny fifidianana izay hitantana ny faritra ny Ceni, omaly. Tokony hirosoana izany, araka ny nambaran’Andriamarotafika Soava, mpampaka-teny. Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra, raha ny nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, raha nanontaniana ny tohin’ny fanatanterahana fifidianana manaraka taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna […]
TSELATRA
Vehivavy iray tratran’ny fokonolona saika hangala-jaza tao akaikin’ny Stadium Barikadimy, omaly maraina. Niatomboka tamin’ny fangalarana ny kavin’io zaza 6 taona io izany, ka tsikaritry ny olona. Tezitra ireo nahita maso ka saika hamono hahafaty azy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nisambotra io vehivavy io. Efa tazomina sy hanaovana famotorana […]
Ambatomirahavavy: Lehilahy 24 taona, hita faty tany anaty ranovory
Lehilahy iray, 24 taona, hita faty tany anaty ranovory, tany Ankadibe, fokontany Antanety, kaominina Ambanivohitra Ambatomirahavavy, distrikan’Arivonimamo, omaly maraina. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra mahakasika io tranga io ny mpitandro filaminana avy amin’ny tobim-paritra Ambatomirahavavy, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Nidina nijery ifotony ny zandary telo sy ny mpitsabo ao […]




