“Raha tsy ny olom-pirenena ifotony no mandray anjara sy andraikitra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny maha tompon-draharaha azy, nofinofy ihany izay tena hisiana fandriampahalemana maharitra eto amin’ ny firenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fiaraha-mientan’ny vondron’olona afaka tomponandraikitra (Fivato), Radimbielson William, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tsy […]
Mois : mars 2025
Namono ben’ny Tanàna: Dahalo roa lavon’ny bala
Dahalo roa lahy, nandray anjara tamin’ny famonoana nahafaty ny ben’ny Tanàna Mangatamboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny faran’ny herinandro teo. Tratra nandritra ny hetsika fampandriana fahalemana niarahan’ny miaramila teo anivon’ny fari-piarovana Tsiafajavona sy ny zandarimaria ary ny polisim-pirenena tany an-toerana izy ireo. Hitan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny kaominina […]
Mpitondra tenin’ny governemanta : “Aoka mba ho tsikera mampandroso”
Nohitsin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), i Volamiranty Donna, ny eo anivon’ny fanoherana, ny faran’ny herinandro teo. Nametra-panontaniana mihitsy aza ny tenany. “Inona ireo fampandrosoana mba nentin’ny mpanohitra?”, hoy izy. Nomeny lesona sy fampahatsiahivana ny eo anivon’ny fanoherana. Fampandrosoana no tokony himasoan’ireo antoko mpanohitra fa tsy fanakorontanana lava […]
Oniversite sy ny MFFT : Hiaraha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro
Miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny oniversite. Miara-miatrika aminy amin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Samy nitondra ny traikefany sy nifampizara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo mpampianatra mpikaroka, mpianatra, foibe fikarohana ary ny mpiara-miombona antoka. Fa teo koa sady niahy izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]
Ambohibary Moramanga: Tohodrano hanondraka tanimbary 1 000 ha
Miara-miombon’antoka ny fanjakana malagasy sy ny orinasa sinoa, Sinomach, miaraka amin’ny teknisianin’ny Akademia sinoa misahana ny siansa ny fambolena any Hainan. Mifantoka amin’ny fananganan’ny Sinomach tohodrano lehibe hanondraka tany 1 000 ha any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny tetikasa. Tanjona ny hahafahana mifehy ny rano, ka hitombo avo roa […]




