Natao sonia ny zoma 28 marsa teo ny fanavaozana ny fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Base sy ny kaominina ambonivohitra Toliara I (CUT). Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny endriky ny tanàna efa natomboka tamin’ny taona 2018. Nilaza ny ben’ny Tanàna, Rabehaja Jean, fa efa nanolotra fiarabe fitaterana fako ho an’ny CUT ny Base. Araka ny teny filamatry ny kaominina, « Toliarako- Toliaranao- Toliarantsika », hitondra fampandrosoana ny tanàna izao tohana omen’ny Base izao.
Nambaran’ny tale jeneraly (DG) ny orinasa, Ramahefarivo Jean Bruno, fa « nitohy foana ny fanohanana ny kaominina Toliara I, na teo aza ny fihantonan’ny asa fihariana nandritra ny 5 taona. Adidin’ny orinasa eo amin’ny firenena izany, tsy tao Toliara I ihany,fa tany amin’ireo orinasa 4 hafa iasana, ny any Ankilimalinike, Tsianisiha, Maromiandra ary Belalanda ».
Fanampiana ny traboina
Nanome toky ny DG ny Base fa tsy nitazam-potsiny ny orinasa manoloana fandalovan’ny rivodoza sy ny ora-mikija tany Toliara farany teo. Efa nisy ny fanampiana ny traboina tany Besakoa. Nanomboka ny zoma teo ny hetsika “opération coup de poing”, asa fanadiovana ny tanànan’i Toliara I. Haharitra herinandro maro izany amin’ny alalan’ny Asa tanamaro (Himo), hanaramana ny tanora, ny vehivavy ary koa ny olona sahirana efa nahazo taona. Hitohy ny fanohanana ny mponina marefo.
Njaka A.




