Andron’ny seha-pamokarana : Hampahafantatra ny lanjan’ny vokatra malagasy sy ny fiarovana azy

Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy harinkarena faobe ny indostria sy ny seha- pamokarana. Andraikitry ny « autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales » (ANMCC) ny mametraka ny fepetra fiarovana ara-barotra ny vokatra eto an-toerana.

Manara-maso ihany koa ny fenitry ny kalitao manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany. Misy noho izany ny ezaka ara-kalitao sy habetsaky ny vokatra takiana amin’ireo orinasa malagasy mpamokatra. Ao anatin’izay ny fampitomboina vokatra sy fandrindrana ny tolotra hamaliana ny filàn’ny firenena. «Miisa 12 ny vo­katra nisitraka izany. Tanjona ny hiarovana azy ireny manoloana ny fitobahan’ny entana avy any ivelany», hoy tale je­neralin’ny ANMCC, Barthé­lemy. Andraikin’ny ANMCC ny mampiakatra ny haban-tseranana aloan’ireo vokatra afarana (droit additionnel). Izy ihany koa ny mametra ny lanjan’ireo vokatra avy any ivelany afaka miditra eto amintsika. Mihatra avy hatrany arak’izany ny fampakarana haban-tseranana 26% raha mihoatra ny tokony ho izy izany.

Vokatra malagasy

Ho hita mandritra ny andron’ny seha-pamokarana ny 16 ka hatramin’ny 18 mey eny amin’ny kianja Barea Mahamasina ireo vokatry ny indostria eto an-toerana ho fampiroboroboana ny vokatra malagasy. Hisongadina mandritra ny hetsika ny vokatra azo avy amin’ny fampiharana ny fiarovana ara-barotra sy ny vokatr’ireo orinasa madinika toy ny « One district one factory » (Odof) sy ny maro hafa. Voizin’ny ANMCC rahateo ny fijerena ny lafiny ara-kalitao sy ny vidiny. « Miaro ny vokatra malagasy ny olona iray rehefa manjifa izany sainy ny fifaninanana tsy ara-dalàna no mampihahotra ny mpanjifa amin’ny fividianana ny vokatra eto an-toerana », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tanjo­na ny hanomezana vidin’entana mirary sy tsara kalitao afaka mifaninana amin’ny any ivelany, hoy koa ny tompon’andraikitry ny sersera avy amin’ny vondrondra Hematlal Veljee (HV), Andriamanarivo Shekinah.

Henintsoa Hani

Partager sur: