EPP Ankorondrano: Nisitraka tabilio vita amin’ny fako plastika

Vaindohan-draharaha ny orinasa Andao Company ny hanohanana ny sehatry ny fanabeazana izay fototry ny fampandrosoana. Nanolotra dabilio miisa 25 vita tanteraka amin’ny fako plastika voaodina milanja 700 kg ho an’ny EPP Ankorondrano ny orinasa. Hetsika tafiditra anatin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy (RSE) sy ho fikajiana ny tontolo iainana. Tanjona ny hanatsarana ny seha-panabeazana, indrindra ny ao amin’ny mpianatra ao amin’ny taona fahatelo (T3). Mahazaka mpianatra miisa 112 ireo dabilio vaovao izay hitsinjarana ny fampianarana mandritra ny tontolo andro ho an’ny taom-pianarana. Natao ho an’ireo ankizy miisa 55 ny tapany maraina izany sy ka natao ho an’ireo 57 isa manohy fianarana ny tolakandro izany. « Natao hanohanana ny mpiara-monina sy ho fitaratra ho an’ireo orinasa hafa izao hetsika izao », hoy ny tale jeneralin’ny Andao Company, Raminosona Zina.
Entina hiarovana ny tontolo iainana sy hanomezana aina vao an’ireo fako plastika ny hetsika toy izao, nampihena ihany koa ny loto sy ny fako miparitaka eny rehetra eny.

Henintsoa H.

Partager sur: