Nifarana ny 28 marsa teo, ny Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny sakafo, Nutrition For Graowth (N4G), natao tany Paris. Taorian’ny fifampidinihina sy ny ady sisika samihafa, vonona hanokana 27,55 miliara dolara ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny firenen-dehibe. Mifantoka amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny foto-kevitra nijoroan’ireo delegasiona malagasy. Nohamafisin-dRtoa Sekreteram-panjakana misahana ny fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo ny paikadin’i Madagasikara, hiadiana amin’ ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fahafahana manome sakafo ara-pahasalamana. Tanjona ny fahavitan-tena ara-tsakafo, mifototra any amin’ny fahafahana mamokatra.
Amin’io sora-bola 27,55 miliara dolara io, izay haharitra hatramin’ny taona 2030, famatsiambolan’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana (Bad) ny 9,5 miliara dolara, an’ny. Vondrona eoropeana (UE) ny 6,5 miliara ary avy amin’ny Banky Iraisam- pirenena ny 5 miliara dolara. Ankoatra ireo, hamatsy vola 750 tapitrisa euros ihany koa i Frantsa, amin’ny alalan’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay. Mitentina 2 miliara dolara kosa ny fandraisana anjaran’ny sehatra tsy miankina amin’ ny taona 2026.
Tsiahivina fa tombanana hatrany amin’ny 41 000 miliara dolara ny fatiantoka ateraky ny tsy fanjarian-tsakafo maneran-tany tato anatin’ny 10 taona farany.
Njaka A.




