Mikatso ny fametrahana ireo kaontera ho an’ny « Branchement mora », tetikasam-panjakana ao Toamasina. Mikatona ny magazay, tsy misy ny entana mivoaka. Tsy nandray karama ko any mpiasa miisa 40 tao anatin’ny roa taona. Voalaza fa ifampizarana orinasa maro ny fanatanterahana ny tetikasa. Ny orinasa Holley Technology, tantanina teratany vahiny, no nahazo ny fifanarahana araka asa. Ny orinasa LMC indray nahazo ny fifanarahana tamin’ny Holley Technology. Manatanteraka ny asa kosa ny Malagasy raha tompon’ny fitaovana ny Jirama. Hatramin’izao,tsy hita popoka ilay teratany vahiny mpampiasa. Zara raha mandray 100 000 na 200 000Ar ireo mpiasa izay ifampizaran’izy ireo raha manodidina ny 40 tapitrisa Ar kosa ny karama mbola tsy voaloa.
Ho tapitra afaka telo volana ny fifanarahana araka asa amin’ity tetikasam-panjakana ity. Mbola maro ireo tokantrano efa voasoratra anarana tsy mbola nisitraka. Noho izany, manao antso avo ny hijerena ny zava-misy ao an-toerana ny mpiasa voasoloky.
Sajo/Henintsoa




