Ilaina ny birao ho fitantanan-draharaha mialoha ny tena asa hananganana ny tohodrano vaovao ataon’ny orinasa CGHV. Fotodrafitrasa goavana hamokatra herinaratra 750 GWh ny tetikasa .
Notokanana ny 28 marsa teo, ny birao ao Tanamakoa Toamasina, birao fiasana sady ho toeram-piofanana an’ny Kaompania tohodrano herinaratra Volobe (CGHV). Natao ho an’ny fitantanan-draharaha sy fandraisan’olona, sady ho toeram-piofanana ihany koa. Nohamafisin’ny sekretera jeneraly (SG) ny faritra Atsinanana, Rasamimanana Rosette, fa manan-danja amin’ny mponin’i Toamasina sy ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka ny fisian’ny Tetikasa Volobe II any Ambodilazana. Tombony ho an’ny rehetra ny fahavitan’ity fotodrafitrasa fandraisana sady hifanakalozam-baovao ity. Manana tombony hisitraka izany ihany koa ny tanora mpianatry ny Oniversite, satria maro ny fikarohana azon’izy ireo hatao mahakasika ny tetikasa. Nomarihin’ny SG ny faritra fa tsy hangalatra tany na handoto ny reniranon’i Volobe ny
orinasa CGHV, fa hitondra fampandrosoana. Hanome asa ho an’ny mponina, hanampy sy hanohana
amin’ny lafiny sosialy sy hampitaovana amin’ny fihariana, amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra (RSE) azy.
Tsiahivina, fa efa vita ary notokanana tamin’ny 15 novambra 2024 ny birao any ifotony, any amin’ny fokontany Ambodimanga, kaominina Ambodilazana, toerana hananganana ny tohodrano any Volobe.
Hanokatra lalana vaovao
Raha ny lafiny teknika, nilaza ny tale teknika ny CHGV, Veloson Léonard, fa mila toerana malalaka ny fanaovana tohodrano. Mahatratra 400 ha ny velaran’ny dobo hitahirizana ny rano, mirefy 25 metatra ny halalin’ny riandrano ary 30 metatra ny halavany. Mirefy 6 metatra ny haben’ny fantsombe hitatitra ny rano makany amin’ny milina manodina ny herinaratra manana hery 220 KVA sy tanjaka 750 GWh. Mila hamboarina ny bac fiampitana any Andringaringa mirefy 160 metatra, ka tsy maintsy hanoritra sy hanokatra lalana vaovao, mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.
Sajo sy Njaka A.




