Mois : avril 2025

Distrikan’Atsimondrano : Rava ny tambajotra mpangalatra kisoa

Efa-dahy niampy ramatoa iray voasambotry ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny marainan’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nitrangana halatra kisoa tao amin’ny fokontany Ambohidavenona, kaominina Ambalavao distrikan’Atsimondrano. Nolavahan’ireo olon-dratsy ny rindrina misy ny kisoa, nopoizinin’izy ireo avokoa ireo biby. Notanteriny tamin’ny gony torian’izany. Nahatsikaritra olona telo lahy niloloa gony nampiahiahy […]

Fasan’ny karana : Lehilahy iray namono tena, voahitsaky ny kamiao

Vaky sy niparitaka tamin’ny arabe ny atidohan’ilay lehilahy namono tena tao ambany kamiao, tetsy amin’ny Fasan’ny karana, omaly maraina. Hitan’ny olona nitomany izy talohan’ny nitsorahany tao ambanin’ilay fiara. Lehilahy iray tokony ho 40 taona namono tena, ni­tsoraka tao ambany kamiao semi-remorque, omaly tamin’ny 10 ora latsaka 10 minitra. Niseho tetsy […]

ONG UWS Madagascar : Manohana ny fanabeazana ao Morombe

Nitsidika ny distrikan’i Morombe, nandritra ny herinandro, ny tale jeneralin’ny ivontoeram-pampiarana avy amin’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena, Ranosy Eliane. Nitafa tamin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana any an-toerana izy. Ao anatin’ izany ireo mpampianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpiray ombon’antoka samihafa sy ny mpanohana teknika. Voaresaka tao anatin’ny dinika ny fitantanana ireo fotodrafitrasam-panabeazana […]

Mozean’ny haino aman-jery : Nahazo arisiva ny minisiteran’ny Serasera

26 taona izao no nisian’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Ho fanamarihana izany, nanolotra ireo sanganasa mba ho tahiry sy vakoka ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo tomponandraikitry ny fahitalavitra, oma­ly, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Mba ho tahiry sy vakoka amin’ny haino aman-jery sy ny tantaram-pirenena io, izay anjara […]

Fahasalamam-bahoaka: Nisitraka fitaovana avy amin’ny Rosianina

Nanolotra laboratoara ahafahana mamantatra manokana ireo karazana tsimokaretina sy valanaretina, teny amin’ny LA2M Androhibe, ny solontenan’ny firenena rosianina, omaly. Miavaka io laboratoara io noho izy anaty fiara ka afaka entina mitety toerana maro. Manoloana ny firoboroboan’ny teknolojia, manampy ny mpitsabo mpikaroka amin’ny fitiliana ireo santionan’aretina mandringana toy ny Ebola, ny […]