Mois : avril 2025

TSELATRA

Toeram-pivarotana iray ao amin’ny fokontany Maharavo, Ambohidratrimo, notafihan’ny jiolahy afakomaly alina, tamin’ny 10 ora sy sasany. Lasan’ireo jiolahy, nandritra izany, ny vola 2 tapitrisa Ariary. Naratra mafy vokatry ny vono nahazo azy kosa ny raim-pianakaviana tao an-trano. Andian-jiolahy am-polony nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nanao ny asa ratsy. Nopoirin’ny jiolahy […]

Fakana an-keriny tsy tanteraka: Renim-pianakaviana avotry ny zandary

Ravan’ny zandarimaria sy ny polisy, niampy ny tolo-tanan’ny fokonolona, ny fakana an-keriny nitranga tao Am­batoharanana,  kaominina Tsaratanàna, ny alin’ny alakamisy 9 avrily teo. Dahalo efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray, tao amin’io fokontany io. Na­lain’izy ireo, tamin’izany, ny renim-pianakaviana iray 50 taona. Nokasain’ireo olon-dratsy hoentina mandositra hatao takalonaina […]

Nifandona tamin’ny dahalo : Mpanara-dia maty, zandary iray naratra

Namoy ny ainy taorian’ny fifandonana tamin’ny dahalo ny iray tamin’ny fokonolona ary naratra voan’ny bala ny zandary iray tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly maraina. Nanafika tao amin’ny tanànan’i Benato ny andian-dahalo nitam-piadiana. Nanidy ny kizo avy hatrany ny zandary nampian’ny fokonolona tao amin’ny kizo Ampasimaiky. Nifanehatra tamin’ireo dahalo […]

67 ha Avaratra Atsinanana: lehilahy lehibe maty teo am-pilalaovana daomy

Maty teo am-pilalaovana daomy ny raim-pianakaviana iray, omaly hariva, teny 67 ha Avaratra Atsinanana. Haka rivotra no nivoahany ny trano kanefa vatana mangatsiaka no niverina tamin’ny fianakaviana. Namoy ny ainy teo am-piarahana tamin’ny namany nilalao daomy ny raim-pianakaviana iray, omaly. Teny amin’ny fokontany 67 ha Avaratra Atsinanana no nitrangan’izany, tokony […]