Mois : avril 2025

Fanamboarana ny zotra an-tariby TPC: Vita ny 90% ny asa, hiditra amin’ny fe- petra tsy maintsy horaisina amin’izay

Efa maro ireo tsy mahandry ny handehanana amin’ny teleferika. Efa vita 90% ny asa, ho am-perinasa rehefa tomombana ny pitsopitsony rehetra. Andrana ara-teknika no tena atao sisa. Hapetraka ny orinasa hitantana ny fitaterana ary harafitra ny fepetra tsy hanohintohina ny fotodrafitrasa. Nanao ny tatitra ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy […]

FANTINA sy FINTINA

Nihaona tany Paris Frantsa, omaly, ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaona­rimampianina Hery. Efa herinandro izao ny filoha nasionalin’ny Tim no any an-toerana ary miseho izao fihaonana izao, andro vitsy mialoha ny hitsidihan’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara. Niantso ho fanavotana ny firenena ny eo anivon’ny RMDM […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : “Ilaina ny firaisankina sy ny fifampitokisana”

Tanterahina any Seoul Korea ny fihaonambe maneran-tany 2025, karakarain’ny fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana “Fédération de la paix universelle – FPU”. Miatrika izany, any an-toerana, ny filohan’ny Antenimierampire­nena, Tokely Justin. Anisan’ireo nandaha-teny tamin’izany ny tenany. “Ani­san’ireo foto-kevitra iorenan’ny fandriampahalemana ma­haritra ny firaisankina sy ny fifampitokisana eo amin’ny firenena, ary ireo […]

Toa tsy misy vidiny

  Mahakivy tanteraka ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Isan’andro vaky no handrenesana sy ahitana faty olona etsy, razana eroa. Mitsitsitra sanatrian’ny vava, tsy misy vidiny ny ain’olombelona. Ny tena mampihaiky volana dia ity fomba feno fahasahiana sy feno habibiana hataon’ny olon-dratsy. Ankoatra ny fantatra mazava ny antony dia mampiahiahy ny […]

Fihaonana an-tampon’ny COI: Eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana

Andro isaina sisa ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampony V eo anivon’ny COI. Amin’izao, eo amin’ny dingana famaranana ny fikarakarana ankapobeny. 12 andro sisa… “Eo am-pamaranana ny fanomanana isika ankehitriny. Efa milamina avokoa ny lafiny arofenitra, ara-pitaovana… Dingana famaranana ny fikarakarana amin’ny ankapobeny”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata […]