Mois : avril 2025

Banky iraisam-pirenena : Manohana ny tetikasa Decim

Mitentina 73 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanafainganana ny fisitrihana herina­ratra eto Madagasikara. Hi­tombo 2,3 tapitrisa ireo olona hahazo tombony amin’ny alalan’ny famatsiam-bola ny tetikasa Decim. Tanjona ny hampakarana ho 80% ny taham-pisitrahana herinaratra ho an’ny taona 2030. Ka ho azo avy amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, amin’ny alalan’ny « […]

Teknolojia Async: Hanamora ny fitantanana orinasa

Nampahafantarina, teny Ivandry, afakomaly, ny « Asyn­chrone – Async », iarahana amin’ny “Bureau international de consultation en informatique-Bici”. Fampiarahana ny “Intelli­gence artificielle – IA” hiasa anatin’ny antontan-kevitra sy antontam-baovao na «Système d’information » iasan’ny orinasa izy io. Hanamora ny fitantanana orinasa ny fampiara­hana izany mba hiasa miaraka amin’ny fikirakirana ara-bola, […]

Tetibola sy ny fananan-tany : Nofanina ireo ben’ny Tanàna any Andilamena

Notanterahina ny alarobia teo ny fanentanana momba ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana (BSFI) any amin’ny distrikan’Andilamena. Teo koa ny fanofanana ireo mpitantana ifotony. Anisan’ny nampahafan­tarina tamin’izany ny momba ny fametrahana ny BSFI, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nandray anjara tamin’izany ny depioten’Andi­lamena, ny governoran’ny fa­ritra […]

INDRAY MIJERY

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fampahafantarana ny tetikasa “Projet tanora mahefa (Protama) vatsian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) vola, ho fanamafisana ny traikefan’ireo tanora. Tanjon’ny tetikasa ny hanatsara ny fampiofanana ireo tanora ho tena matihanina, mifanaraka amin’ny filan’ny tontolon’ny asa sy mifandray amin’ireo sehatra stratejika amin’ny toekarena malagasy toy […]

Fampianarana ambony: Mangataka vatsim-pianarana nefa tsy mpianatra

Nahafantarana ny fisian’ny olona mandray vatsim-pianarana kanefa tsy ao anatin’ireo lisitra tokony hisitraka izany ny fidinan’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mivantana teny amin’ny Oniversiten’An­ta­nanarivo. Efa tsikaritra ny tsy fahatomombanana ka izany no anton’ny fanamarinana teny ifotony ary voaporofo fa misy ireo olona ao amin’ny fakiolten’ny Siansa […]