Mois : avril 2025

WMG: Hanatanteraka « Salon du Chocolat et de la Gourmandise »

Hanasongadinana ny vokatra eto an-toerana no tanjona amin’ny « Salon du Chocolat et de la gourmandise », araka ny voalazan’ny mpikarakara. Hanampiana ny vehivavy hahaleo tena ny vola azo amin’izany. Hotanterahina etsy amin’ny Carlton Anosy, ny sabotsy ho avy izao, tontolo andro, ny « Salon du Chocolat et de la Gourman­dise ». Hetsika andiany […]

Fahaleovan-tena ara-tsakafo: Notolorana masomboly sy zezika biolojika ny MJS

Nanolotra hanam-pamokarana ho an’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ny sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo, omaly, tetsy Mahamasina. Nahitana zezika biolojika, karazana masomboly : katsaka, tsaramaso, voatabia, sy ny maro hafa ny tolotra. Hovolena eny amin’ny tanin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, eny Ankorondrano, ireo tolotra ireo. Hanatanteraka ny fambolena […]

INDRAY MIJERY

Manatanteraka ny fanadinana bakalorea andrana na “Examen blanc” ny eny amin’ny Lycée amin’izao fotoana. Dingana hahafahan’ny mpianatra mitsapa ny fahaizany sy miaina sahady ny fiaimpiainam-panadinana. Saika efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana ka ny famerenana no atao matetika mandra-pahatongan’ny fotoam-panadinana. Ankoatra ny fanadiovana ataon’ny fanjakana ireo toerana maro amin’izao fotoana, tokony […]

Fampiakarana haba nataon’i Etazonia : Hijery ireo mpiasa ahina ho very asa ny fanjakana

Mby an-koditra ny hahavery asa analiny, taorian’ny fampiakarana haban-tseranana 47% nampiharin’i Etazonia. Miezaka mitady vahaolana ny fanjakana ka nihaino ny vondron’ny orinasa afakaba (GEFP), tarihin’ny filohany, i Béatrice Chan Chin Yiu. No­raisin’ny minisitry ny Asa, Razakaboana Hanitra, tetsy 67ha, izy ireo, omaly. Fantatra fa ao ireo nampitsahatra ny fanondranana. Mbola […]