Mois : avril 2025

« Branchement mora »: Very anjavona ny fanatanterahana izany

Mikatso ny fametrahana ireo kaontera ho an’ny « Branchement mora », tetikasam-panjakana ao Toamasina. Mikatona ny magazay, tsy misy ny entana mivoaka. Tsy nandray karama ko any mpiasa miisa 40 tao anatin’ny roa taona. Voalaza fa ifampizarana orinasa maro ny fanatanterahana ny tetikasa. Ny orinasa Holley Technology, tantanina teratany vahiny, no nahazo […]

Base Toliara : « Hanome asa 4 600 ny orinasa », hoy ny tale jeneraly

Tanjon’ny Base Toliara ny hisitrahan’ny mponina any ifotony ny vokatry ny fitrandrahana ataony. Anisan’izany ny famoronana asa. Tany amin’ny 40 taona lasa tany no nisy orinasa indostrialy farany tany Toliara (Sumatex, Toly, orinasa manodina menaka, hasy, sns), saingy efa nikatona avokoa. Araka ny antontanisa, manodidina ny 3 000 ny fitambaran’ny isan’ny […]

INDRAY MIJERY

Marihina anio, eny amin’ny Kianjan’Ambohi­man­gakely, ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny fahasalamana. Hetsika maro no hiseho eny an-toerana ka homena lanja manokana ny reny sy ny zaza. Hisy ny fanaovam-baksiny ho an’ny zaza. Eo koa ny tolotra fandrindram-piterahana ho an’ny ray aman-dreny sy ireo rehetra vonona hanao izany. Noraisin’ny tale […]

Vakinankaratra : Hirosoana ny famatsian-drano fisotro madio

Vita ny fanadihadihana savaranonando ahafahana miroso amin’ny asa rehetra ho fanavaozana sy fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio izay voasokajy ao anatin’ny tetikasa PAAEP ho an’ ny faritra Vakinankaratra. Din­gana sy fidinana ifotony maro tamin’ireo toerana voakasika no natao ka nampahafantarina sy nanaovana tatitra tamin’ ireo tomponandraikitra eny ifotony sy […]

Vohipeno : Novangina ny akany mitaiza ankizy marefo

Akany Ambohimanantenasoa, ao amin’ny kaominina ambanivohitra Andemaka, sy ny akany Preventium, ao amin’ ny kaominina ambanivohitra Ifatsy, no notsidihin’ireo tomponandraikitry ny minisiteran’ny Mponina ao Vohipeno, ny faran’ ny herinandro teo. Mandray an-tanana ireo ankizy manana fahasembanana ara-batana miisa 150 ny akany Ambohimanantena. Miandrai­kitra manokana ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo miisa […]