Mois : avril 2025

Fampirantiana « Safiotra »: Haneho ny tafan-kolontsaina marolafy

Handray fampirantiana marolafy anisan’ny lehibe indrindra ny Fondation H. Ho avy hitondra ny « Safiotra » ao i Yinka Shonibare, miaraka amin’ireo vahiny sy Malagasy manan-talenta sy manampahaizana hafa, hihodidina ny lohahevitra amin’ny alalan’ny kanto sy ny tafa. «Safiotra » [Hybri­dit­és/Hybridities]. Io indray no anaran’ny fampirantiana goavana sy iraisam-pirenena horaisin’ny Fon­dation H, manomboka […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho afaka manodina fako 60 taonina isan’andro ny ivontoerana iray any Toamasina, izay havadika ho lasa akora hafa azo ampiasaina indray. Ho vita amin’ity taona 2025 ity ny asa fananganana ny fotodrafitrasa. Hisy iray faharoa koa an-dalam-pametrahana eto Antananarivo. Haharitra tapa-bolana ny fitsirihana faharoa ny findramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny […]

Base Toliara: Miandry ny hanombohan’ny asa ireo kaominina

Nohamafisin’ireo kaominina voakasiky ny tetikasa Base Toliara, ao amin’ny distrika Toliara II (Ankilimalinike, Tsia­nisiha, Maromiandra ary Belalanda), ny fanohanany ny orinasa Base Toliara. Nam­baran’ny ben’ny Tanàna Maromiandra, i Felix, fa nanohana hatrany ity tetikasa ity ny tenany hatramin’ny nanombohany mandrak’ankehitriny. Nanao antso avo ho an’ny Base Toliara izy mba tsy […]

Mila jadona Noho ny fifanarahana dia nidina nivarotra anaty lalana ny mpivarotra amoron-dalana. Mainka hanampy trotraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy hanakorontana misimisy  ny tanàna izany. Tsy hidirana lalina ny amin’izay fa ny tokony hilofosana izao dia ny fandresena lahatra ireo mpivarotra mba hanaiky ilay vahaolana maharitra amin’ny tsena voatokana sy […]

Madagascar Airlines : Mampiasa fiaramanidina dimy ho an’ny sidina anatiny

Mampiasa fiaramanidina dimy, ankehitriny, ny Madagascar Airlines handrakofana ny sidina anatiny. Noraisina tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny ATR 72 iray faharoa amin’ny loko ahafantarana ity kaompania nasionaly ity. Taorian’ny fiovam-pitantanana nisy teo anivon’ny Madagascar Airlines ny volana janoary 2024, zara raha fiaramanidina roa amin’ny enina hananan’ny […]