Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny masoivohon’i Madagasikara ao Paris, omaly, manoloana ny hetsika nataon’ireo teratany malagasy, Diaspora, tany an-toerana. Tsy mitombina ireo vaovao niely. “Manamafy sy mandiso tanteraka ny vaovao diso misy manaparitaka ao amin’ny tambajotran- tserasera izahay ka milaza fa nisy fihoaram-pefy sy fidirana an-keriny tao amin’ny masoivoho”, hoy […]
Mois : avril 2025
Andriamanana Nivoarivony : “Mila mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ny demokrasia eto”
Efa demokrasia ny tsy fitovian-kevitra ny amin’ny demokrasia? Adihevitra… Maneho ny fijeriny ny fiarahamonina sivily avy amin’ny Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony: “Tokony hanamafy orina ny maha malagasy izany ny demokrasia, fa tsy demokrasia no atao fototra voalohany sy lehibe. Tokony hifanaraka amin’ny soatoavina”. Dinidinika… Gazety […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry teo amin’ny faha-65 taonany i Val Kilmer. Mpilalao sarimihetsika malaza maneran-tany, nalaza voalohany tao anatin’ilay sarimihetsika “Top Gun”, izay niarahany tamin’i Tom Cruise, izy. Nisongadina avy eo tamin’ny “Heroic fantasy Willow”, “Coeur de tonnerre”, “True romance”, “Tombstone”, “Bad lieutenant”, sns. Homamiadan’ny tenda, izay efa tsy nampiteny azy fotoana ela […]
Olombelo Ricky – 45 taona an-tsehatra : « Samy hahazo ny anjarany ny mpankafy… »
« Efa ela loatra… ». Nosafidiana manokana ho lohahevitry ny fankalazana ny faha-45 taona nilomanosan’ny Olombelo Ricky tao anatin’ny mozika io. Nihaona indray tamin’ny mpanao gazety izy sy ny mpikarakara, omaly, tetsy amn’ny Ny havana 67 Ha. « Samy hahazo ny anjarany ny mpankafy tsirairay, tao anatin’izay fotoana lavalava izay », hoy ny fampanantenany […]
Tranomboky Analakely: Novatsian’ny japoney boky
Mihabevoho hatrany. Nanolotra boky miisa 300 ho an’ny Tranomboky monisipalin’Antananarivo, etsy Analakely, ny masoivohon’i Japon, omaly. Boky amin’ny teny frantsay miisa 300, izay miresaka momba ny tantaran’i Japon, ny kolontsaina, tantara an-tsary, boky fianarana, sns ireo. « Mety ireto boky ireto no hahafantaran’ny Malagasy voalohany an’i Japon. Mety handrisika azy ireo […]




