Mandritra ity taona ity no hanamarihina ny nananganana ny fikambanana maneran-tany misahana ny toetry ny andro (OMM). Lohahevitra hovoizina ny hoe: “Andao hiaraka hanarina ny lesoka amin’ ny fampitandremana mialoha”. Manasongadina indrindra ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny rafitra fampitandremana mialoha ho fiarovana ny mpiara-belona amin’ny loza voajanahary ny lohahevitra. […]
Mois : avril 2025
SPSM : Hatao any Toamasina ny kongresy
Hotanterahina any Toamasina, ny volana aogositra izao, ny kongresin’ny firaisankinan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara (SPSM) amin’ity taona ity. Vinavinaina ho 7 000 ireo mpizaika ho tonga hiatrika izany. Fotoana hanamafisana ny fiombonan’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy ny kongresy. Maro ny hetsika hatao ao anatin’izany ho fanehoana firahalahiana. Fifaninanana […]
Autisme Madagascar : “Tsy mbola misy ny fiahiana sosialy ho an’ny olona autiste”
Nizara ny vokatry ny fanadihadiana momba ny fahasalamana ara-pananahana ho an’ny olona manana fahasembanana ny fikambanana Autisme Madagasikara anatin’ny tetikasa Miray, omaly, teny Antaninarenina. Nanasongadina ny vokatra fa mbola misy ny sakana sy ny fady amin’ny firesahana fahasalamana sy zo ara-pananahana ho an’ny olona manana fahasembanana eto amintsika. Taorian’ny fidinana […]
Manamboninahitry ny Acmil: Nizara traikefa ny Jly Ravalomanana
Notontosaina afakomaly, tao amin’ny Akademia miaramila (Acmil) Antsirabe, ny lanonana famaranana ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny nivoahan’ny andiany faha-13 “La13”, sady andiany nivoahan’ny Jly Ravalomanana Richard. Nisy ny tafa sy nampitany ny traikefa amin’ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Acmil tamin’ izany. Teo koa ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo andiany niaraka taminy […]
Fampandrosoana ny kaominina : Manohana ny fitantanam-bola ny ProDecid
Natao omaly, tetsy amin’ny FDL Anosy, ny fivorian’ny Komity mpitantana (COPIL) ho an’ny tetikasa ProDécid. Voatsiahy tamin’izany fa nisongadina tao anatin’ny dingana voalohany sy faharoa ny fandraisan’anjaran’ireo kaominina, mpiara-miombon’ antoka amin’ny fampandrosoana ifotony mifototra amin’ ny ady amin’ny fahantrana. Na izany aza, voalaza fa mbola miatrika fanamby ara-bola goavana izy […]




