Anisan’ireo andry lehibe telo iankinan’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Nohavaozina ny andinin-dalàna sasany. Nitondra fanazavana ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy, ny 21 marsa teo, mombaa ireo lohahevitra efatra mahakasika ny harena an-kibon’ny tany. Nofoanana ny fahazoan-dalana mikaroka solika miisa 21 efa […]
Mois : avril 2025
FOM : Manome tohana ny orinasa madinika sy salantsalany
Hatramin’ny niforonany, ny taona 2017, miara-dalana amin’i reo orinasa tena madinika, madinika sy salantsalany (TPME) ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM) ary mbola vonona hanome tantsoroka azy ireny ho fampiroboroboana ny asa fihariany izay fototry ny fampandrosoana ny toekarena. Vaindohan-draharahan’ny FOM, naorin-dRajaonarivelo Herintsalama, ny hanohana ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara. Ankehitriny, […]
TARATRY ny KANTO
Nomarihina teny Anatirova ny “Taombaovao Malagasy fidiovana 2025”. Nisy ny fizarana ny “afo tsy maty” tao amin’ny Kianja Masoandro, ny asabotsy teo. Nitohy ny alahady izany, izay nanaovana ny fomba rehetra rehefa tonon-taona toa izao: tatao, tsodrano, sns. Nahitana vahiny maro nanatrika izany, ka inoana fa miroso mankany amin’ny fankatoavana […]
« Alahamadibe »: Fararanon-danonana ny teny Ankazomalaza
« Hasina fa tsy laza. Tsy mamorona fa mamelo-maso ». Teny faneva nosafidian’ny vondron’ireo mpandala ny « Alahamadibe » tamin’ity io. Nosafidiana manokana ho ivon’ny fanamarihana ny « alahamadibe » ny teny amin’ ny Doany Ankazomalaza, Ambohimanga, na dia samy nanana ny fankalazany toa ny mahazatra isan-taona aza ireo Vohitra […]
« Bapampaglady Be »: Nampiakatra avo ny lentan’ny fampisehoana i Rossy
Seho roa, hotsaroan’ireo niaina azy mandrakizay ny “Bapampaglady Be”. Mbola ilay Rossy matihanina amin’ny mozika, manao fanamby goavana sy avo lenta no nitarika ny namany nahatontosa seho avo lenta. Sehatra intelo mihantoana, manerana ny ilan’ny lapa. “Ecran” nanemitra ny sehatra efa ho 15 metatra, izay vao mainka nanasongadina ireo mpanakanto. […]




