Notokanan’ny filohan’ny Repoblika tao Moramanga, ny Akany Fiadanantsoa handraisana an-tanana ireo mpiady tia Tanindrazana, akanga sisa nanamborana sy ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona. Hisy fizaham-pahasalamana sy fizarana fanafody maimaimpoana ho azy ireo, ao an-toerana, toy ny fitsaboana ny areti-maso sy ny fizarana solomaso. Notontosaina teo amin’ny fasan’ny Maherifo Ambalankararaina, […]
Mois : avril 2025
Praiminisitra Ntsay Christian :”Tsy maintsy averina ny fandriampahalemana”
“Tsy maintsy averina ny filaminana satria zava-dehibe ho an’ny firenena sy ny fiainam-bahoaka izany.” Io no namintinan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tany Ambositra, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana notarihiny niaraka tamin’ny OMC-Nat ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana, amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any amin’ ny faritra Amoron’i Mania, anatin’ny […]
Asa… mahamarin-toerana
Fahamarinan-toerana politika? Lazain’ny mpandinika sasany fa misy sy iainana izany amin’izao. Manana ny maro eny anivon’ny parlemanta, ohatra, ny mpitondra. Eny, hatrany ifotony aza izany, raha jerena ny fifandanjan-kery amin’ireo olom-boafidy eny anivon’ny kaominina. Tsy misy na tsy atahorana ny asa fampandrosoana amin’ izany? Eny, na tsy mitsaha-mitabataba amin’ny […]
Filoha Rajoelina Andry : “Zo sy adidy ny miady hampandroso an’i Madagasikara”
Nampita hafatra ho an’ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fanamarihana sy fahatsiarovana ny 29 marsa. Navoitrany tamin’izany ny tokony hanehoana ny fitiavan-tanindrazana. “Tsy avelantsika ho raraka an-tany ny ran’ ireo Malagasy nitolona ho an’ny fanavotana sy fahafahana ho an’ny firenena. Mitaky adidy entanin’ny fitiavan-tanindrazana ho antsika taranaka mifandimby […]
TSELATRA
Mpisoloky roa lahy voasambotry ny polisy teny Ampefiloha, afakomaly. Soloin’izy roa lahy finday tsy mandeha intsony ny entana omeny ny mpividy aorian’ny fifampivarotana. Nametraka fitarainana ny lasibatra ka tratra izy roa lahy. Nogiazana ny finday fanaovan’izy ireo io asa ratsy io. Raim-pianakaviana nanolana ny zanany vavy vao 11 taona tratran’ny […]




