Lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ny jiolahy telo mpanao asa ratsy teny Anosizato Atsinanana, ny alahady 30 marsa teo. Manoloana ny tsy fandriampahalemana mateti-pitranga sy mampitaraina ny mponina eny an-toerana, nanao hetsika manokana ny polisy eo anivon’ny SAG. Nanao fisafoana amin’ny alina ny ekipan’izy ireo ary nanao fanamiana sivily teny amin’iny faritra […]
Mois : avril 2025
Tsy fandriampahalemana: Fasana telo novakin’ny jiolahy
Noraofin’ny jiolahy avokoa ny taolambalo tao anatin’ny fasana roa novakin’izy ireo tao amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, ny alin’ny alahady 30 marsa teo. Fasana efa nidanadana no hitan’ny mpandalo. Nampandre ny tomponandraikitra sy ny tompom-pasana ity farany. Nojerena ny tao anatin’ny fasana, kinanjo efa nokorontanin’ireo tsy valahara. Naka […]
Nidona tamin’ny kamiao : Mpitondra moto maty tsy tra-drano
Maty teo no ho eo ny mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny sampanan-dalana Ambodiafontsy, kaominina Ampitatafika, ny sabotsy 30 marsa teo. Iray hafa naratra. Vaky loha, namoy ny ainy ny lehilahy iray nitondra moto teny amin’ny RN1, sampanan-dalana Ambodiafontsy, Ampitatafika, ny sabotsy 29 marsa teo tamin’ny 11 ora. Nanao taingin-droa, […]




