Lehilahy miisa telo izay 19, 22 ary 25 taona niara-namoy ny ainy tao Mantasoa, ny 22 avrily teo. Lakana rendrika no nitarika ny fahafatesan’izy ireo. Olona telo hita faty tao amin’ny farihin’i Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny alarobia 23 avrily teo. Niara-nitaingina lakana tao amin’io farihy io ny vatan-dehilahy miisa efatra. […]
Mois : avril 2025
Olana tamin’ny karama: notsindromin’ilay tovovavy antsy ny mpampiasa azy
Notanana vonjimaika am-ponja any Antsiranana, omaly, ilay tovovavy 19 taona, mpiasa an-trano, rehefa nalaina am-bavany teny anivon’ny fitsarana omaly ihany. Nahavita nanindron’antsy ka nahafaty ny mpampiasa azy (renim-pianakaviana 52 taona) tany Sengaloka Ambilobe, ny harivan’ny 14 avrily lasa teo. Tonga nilaza ny fahafatesan’ity mpampiasa azy izy ora vitsy taorian’ny tranga. […]
Task force: Mampanahy ny fiakaran’ny tahan’ireo olona mitondra VIH/Sida
Mampanahy fatratra ireo Task Force ny hoavin’ny tanora amin’izao fotoana izao noho ny fiakaran’ny tahan’ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Nifampizara ny vokatra azony nandritra ny fanadihadiana nataony ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ ny tsimokaretina VIH/Sida. Nanantanteraka atrikasa tetsy amin’ny efitrano fivoriana Streamliner Tanamakoa ny fiandohan’ny volana avrily teo […]
Rakotomalala Jefferson : Malagasy mpianatra nisitraka vatsim-pianarana maro
Malagasy mpianatra any amin’ny oniversiten’i Etazonia Rakotomalala Jefferson. Anisan’ny mamiratra izy satria nisitraka vatsim-pianarana maro hahafahany manohy ny fianarany. Mianatra ao amin’ny Hope College University ao Holland, Michigan ny tenany amin’izao fotoana. Mizara ny traikefany amin’ny tanora malagasy toa azy i Jefferson. Anisan’ny manokatra lalana maro ny fikirizana sy ny […]
Nanolan-jaza 4 taona : Tovolahy 17 taona notanana am-ponja
Notanana vonjimaika, afakomaly, any am-ponja ny tovolahy 17 taona nanolan-jaza vao efa taona monja, tao Soanierana-Ivongo. Ankizivavy nandeha namonjy toeram-pivoahana, niharan’ny fanararaotana nataon’ny tovolahy mpiandry omby, tao amin’ny kaominina Manompana, ny talata 22 avrily teo, tamin’ny 11 ora maraina. Nosaritin’io tovolahy io niditra ny kirihitr’ala ilay zazavavy. Tsy afa-nanohitra ity […]




