Mois : avril 2025

Sakafo an-tsekoly : Minisitera roa hifanohana

Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana ny fizakan-tena ara-tsakafo. Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera roa tonta amin’ny alalan’ny fampisakafoana an-tsekoly na “cantine scolaire” tamin‘ity […]

Ady amin’ny haromotana ; Alika mirenireny 287 novonoina tao anatin’ny 3 herinandro

Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana an’Antananarivo sy fiarovana ny mponina ny hetsika famonoana ireo alika mirenireny ao anatin’ny boriborintany 6. Ireo alika manan-tompo dia tokony hifatotra tsara any an-tanàna. Mitohy ny hetsika famonoana ireo alika mirenireny eto Antanana­rivo. Ifarimbonan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka ny fiandraiketana izany. Tafiditra amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Homarihina eny Ankatso ny « Andro iraisam-pirenena » ho an’ny boky. Anio manomboka amin’ny 9 ora no hisesy ireo hetsika isan-karazany, eo amin’ny fiantsonan’ny fiara sy ao amin’ny amphithéatre EGS. Hahitana vakiboky an-kalamanjana, fampirantiana boky, atrikasa momba ny fanoratana, adihevitra iarahana amin’i Dama Mahaleo, hatramina fampisehoana iara­hana amin’i Ayam sy […]

Faribolana Sandratra Betafo: Amboaran-tononkalo « Ankaromiafina »

Misy, miaina ary mampi­aina ny literatiora ny sampan’ ny Faribolana Sandratra ao Betafo Antsirabe. Porofon’ izany, hisy hetsika izay hotontosain’izy ireo ny sabotsy 26 avrily izao, manomboka amin’ ny 2 ora sy sasany, ao amin’ ny CGM Analakely. Antsan-tononkalo toy ny mahazatra, no sady famoahana ny am­boaran-tononkalo « Ankaro­mia­fina » […]

Andrarezin’ny hira malagasy: Hisy ny tsiahy ho an’i Rolland Raelison

Zoma 18 avrily, nanjombona ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry tany amin’ny Nosy La Réunion i Rolland Raelison… Ho an’ny eto an-toerana, hisy ny fanomezam-boninahitra ho an’Andriamanitra sy tsiahy ho azy. Hanana endrika roa ny fandaharam-potoana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fahatsiarovana an’i Rolland Rae­lison, andrarezin’ny hira mala­gasy, nodimandry tany Tam­pon […]