Mois : avril 2025

FANTINA sy FINTINA

Mbola any Frantsa, mihaona amin’ireo Malagasy ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Nambaran’izy ireo fa mahafinaritra ny fifankatiavan’ny Malagasy any an-toerana. «Afaka miady hevitra… Voageja ny vahoaka aty Madagasikara. Tsy afa-maneho hevitra na mahazo fandrahonana… », hoy izy ireo. Anisan’ny nisogadina teny amin’ny CCI Ivato koa […]

Fahatapahan-jiro teny amin’ny CCI : Handray andraikitra ny fanjakana

“Tokony hijoro hitondra fanazavana ara-teknika amin’ny zava-nitranga ny tomponandraikitra. Aorian’izay, man­deha ny fanadihadiana. Mety hisy ny fandraisana andraikitra”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, i Mara Volamiranty Donna, teny amin’ny CCI, Ivato, omaly, ny amin’ny fahatapahan-jiro teny amin’ny CCI, Ivato, tao ana­tin’ny kabarin’ny […]

Miara-mitantana

  Vaovao nahoraka, omaly ny mahakasika ny fitantanana ny Nosy aty amin’ny Ranomasimbe indianina. Andaniny, manamafy ny frantsay fa misy tokoa ilay fehin-kevitry ny Firenena mikambana mahakasika ny Nosy malagasy manodidina na ny “Iles éparses”. Ankilany, tsy manaiky ny hamerina izany ho an’i Madagasikara kosa anefa izy. Ny fiaraha-mitantana no […]

Fampandrosoana eny ifotony : Nanova ny tanànan’i Morondava ny tetikasa Mor’af

Notanterahina tetsy Ankorondrano, omaly ny atrikasa ho fanamafisana ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tafiditra anatin’izany ny tetikasa “Morondava Adaptation Fund – Mor’af”, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nivoitra tamin’izany fa tetikasa mamaly ny hetaheta eny ifotony ny Mor’af, niarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka. “Miova endrika izao ny […]

TSELATRA

Lehilahy roa voarakitra an-tsary nandroba tetsy Isotry, omaly maraina, tamin’ny 3 ora. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina io toerana io izy roa lahy. Nesorin’ilay olon-dratsy ny fitaovana maka ny sary izay mirakitra ny zava-misy teo amin’ilay toerana lasibatra. Efa manao ny fikarohana ny polisim-pirenena. Kamiao mpitatitra solika niharan’ny firehetana tampoka teny […]