Mois : avril 2025

Fanodinana: Vokatra azo avy amin’ ny volontsangana

Maro ny vokatra azo avy amin’ny volontsangana. Anisan’ny orinasa tena madinika misehatra amin’izany ny orinasa Moi Ecolo, natsangan-dRakototiana Santatra sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Niorina ny taona 2019, mifototra amin’ny famokarana vokatra avy amin’ny volontsangana. Maro ny vokatra vitan’izy ireo, toy ny kojakoja fanahazan-damba (pinces), sotrobe manokana fandoaran-tsakafo (spatule), boatikely, zavamaneno […]

Ravinala Airports: Mandeha ny fanavaozana ny seranan’Ivato

Mihazakazaka ny fanavaozana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo. Hitarina ny fiantsonan’ny fiaramanidina. Mitohy ny fanatsarana hanaraka ny toetrandro ny seranam-piaramanidina eny Ivato. Taorian’ ny fotodrafitrasa hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena, mi­ditra amin’ny fanitarana ny arabe fiantsonan’ny fiaramanidina (Tarmac) indray ny Ra­vinala Airports, ankehitriny. Tanjona ny hahafahana mandray fiaramanidina vaventy karazany maro. […]

INDRAY MIJERY

Tontosa teny amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, Ampandrianomby, ny fanokafana ny tetikasa Systematic Observations Financing Fa­cility (SOFF). Hitondra fanohanana ho an’ity foibe ity ny tetikasa izay vatsian’ny SOFF ary tanterahin’ny Fi­renena mikambana ho an’ny Fampandrosoana (Pnud) ha­na­tsarana ireo kalitaon’ny antotam-baovao vokarin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Tsy […]

Distrika Taolagnaro : Tokantrano maro mampiasa fatana mitsitsy

Tetikasa Magnasoa no hi­antsoana ny fizarana fatana mitsitsy mitsinjo ny tontolo iainana ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, faritra Anôsy. Fi­taovana fandrahoan-tsakafo madio no iantsoana ity fatana ity satria antsasaky ny arina fandrehitra fampiasa andavanandro dia afaka mahamasaka sakafo. « Hihena ny entona maloto, haingana ny fandrahoana sa­kafo… Voaaro ny tontolo iainana », hoy […]

SPSM nasionaly-Ambatofotsy: 2 000 ny mpiasan’ny fahasalamana andrasana

Hihaona eny amin’ny Tanànamaitso Ambatofotsy ny Solidarité du pesonnel de la santé de Madagascar (SPSM), rahampitso. Fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny samy mpiasan’ny fahasalamana no hatao. Manodidina ny 2 000 ireo mpiasan’ny fahasalamana andrasana ho tonga hifampizara hafaliana, ahitana dokotera, paramedy, infirmiera, rasazy…Hisy lalao fifaninanana amin’ireo fitaleavana ho fanehoana firahalahiana. […]