Mois : avril 2025

Fitatazana rotsakorana: Hametrahana fotodrafitrasa eto Antananarivo

Rehefa ao anatin’ny fotoana tsy fiavian’ny orana, miatrika olana goavana ny mponina eto Antananarivo amin’ny fahazoana rano, toy ny niseho tamin’ny taon-dasa. Misy ny vahaolana fohy ezaka nataon’ny tetikasa ho fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio sy ny minisiteran’ny Rano, fa­nadiovana ary fidiovana, ta­min’ny fametrahana bonbonne lehibe misy rano amin’ny […]

Kalon’ny fahiny…: Nodimandry i Doda (Ny Voamaintilany)

Araka ny vaovao voaray halina, nodimandry i Doda ao amin’ny tarika Ny Voa­maintilany. Anisan’ny nahafantarana azy ny fihirana ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Anisan’ny mpikambana tao amin’ny tarika Noelson Lalao (rainy niteraka azy) i Doda. Saika nametrahany ny feony avokoa ny antanantohatry ny feo nilaina tamin’izany. Taty aoriana, […]

« Power of Metal »: Seho miaraka amin’ny tarika Alkiniah sy ny tarika Mania

Tarika roa anisan’ny sangany eo amin’ny fiangaliana ny mozika mavesatra no ho tafaraka. Tarika Mania sy ny tarika Alkhiniah, hanatanteraka ilay seho goavana « Power of Metal ». Raikitra ! Hotanterahina etsy amin’ny Cercle Fran­co-Malagasy (CFM) Anosy, ny sabotsy 19 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 10 ora alina ny […]

Fikarakarana hetsika: Tsy ampy ny fotodrafitrasa ho an’ny zavakanto

Sahirana ireo mpisehatra amin’ny zavakanto eto Madagasikara. Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasa manara-penitra, mety amin’ny sehatra tsirairay. Mionona amin’izay azo ampiasaina ny mpanatalenta sy ny mpikarakara, ka mandatsaka ny kalitaon’ny seho matetika. «Tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena, fa mba aiza ny an’ny zavakanto? » hoy ny fanontaniana napetrak’i Sareraka […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy afa-miatrika ilay fifaninanana “MIC 2025” ho an’ny sokajy zandriny, hatao any Espagne, ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, ny sekolim-baolina kitra Net Foot, noho ny olana ara-taratasy. Tsiahivina fa efa nisy ny ezaka nataon’izy ireo mahakasika izany saingy tsy nahitam-bokany. Nanatanteraka “visite d’audit annuel” teo ani­von’ny Federasionina […]