Natao ny 22 avrily teo ny fanazavana momba ny tetikasa Base any amin’ireo kaominina efatra (Tsianisiha, Ankilimaliniky, Maromiandra, Belalanda) voakasika mivantana ao amin’ ny distrika Toliara II, notarihin’ny governoran’Atsimo Andrefana. Tao daholo ny ben’ny Tanàna, ny tomponandraikitry ny Fananan-tany ary ny sefo fokontany. Nanazava tamin’ny antsipiriany ny tomponandraikitry ny orinasa Base Toliara.
Notsipihin’ny sefo distrika Toliara II, Rakotovao Hary Mamy, fa ilain’ny vahoaka eny ifotony ity fanazavana ity, ho an’ny sefo fokontany sy ny ben’ny Tanàna ary ny lehiben’ny boriborintany. Nilaza ny sefo fokontany Mangily, i Manantena Hubert, fa « tena ilaina tokoa ity fotoana nanomezam-baovao ity. Mazava ireo lafiny nampiahiahy sy ny tsaho niely tany aloha, izay naseho anay tamin’ny alalan’ny horonantsary. Toy ny tombontsoa ho azo amin’ny tetikasa, ohatra, mipaka any
amin’ny fokontany tsirairay ». Tsy vahaolana mampandroso intsony ny fanoherana ny tetikasa, fa efa fotoan’ny fiaraha-mientan’ny rehetra izao hanararaotana ny tombontsoa hitondra fampandrosoana.
Njaka A.




