Mois : mai 2025

JJB-Grand Slam: nahazo medaly volafotsy i Andy Rasamy

Fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny nisongadina tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny “Grand Slam”, taranja Jiu-jitsu breziliana, izay natao tany Abu Dhabi. Nanana solontena 3 lahy i Madagasikara nandritra izany ary tsy nitsanga-menatra satria nandrombaka medaly volafotsy ny Malagasy mpikatroka, i Andy Rasamy, teo amin’ny “Men’s Gi/Brown Belt”, sokajy Professionnel, latsaky ny 77 […]

For Good Connexion: baolina kitra hiarovana ny ankizy amin’ny loza

Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianja Syn­thètique Andohalo, ny “For Good Connexion”. Hetsika ho an’ny niomerika mandray andraikitra, nokarakarain’ny Union des clubs et écoles de foot-ball (Ucef) sy ny Orange Madagascar. Fampianarana ny ankizy hitandrina sy hahafehy ny ora hijerena ny findainy ary antoka amin’ny loza ate­raky ny […]

“Orange MPPTOUR 100”: lasan’i Miary Zo sy i Landry, sokajy lehilahy, i Prisca sy Zarah ho an’ny vehivavy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana tenisy anaty efitrano Padel, “Orange MPPTour 100”. Nanjakan’i Miary Zo sy Landry ny teo amin’ny lehilahy, raha toa ka mbola ry Prisca sy Zarah no nahazo ny medaly volamena ho an’ny sokajy vehivavy. Notanterahina teny amin’ ny Urban Futsal Galaxy Andraharo, ny faran’ny […]

Seranan-tsambon’ i Toamasina: mpiasa 76 mianadahy notolorana mari-boninahitra

Nolotorana mari-boninahitra “grande Officier” ho fankasitrahana azy ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), Avelin Christian Eddy, ny 16 mey lasa teo, tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Pact “Port Academy Center Toamasina”. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panjakana ny minisitry ny Fitate­ra­na sy famatarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, i Manga­laza Eugène Régis, […]

Fiarovana tanàna sy fialamboly: maro ny mirona amin’ny fiompiana alika tsara karazana

Mirona amin’ny fiom­piana alika tsara karazana (chien de race) ny ankamaroan’ny Ma­la­gasy amin’ izao fotoana. Mia­vaka amin’ny ali­ka hafa izy ireny, indrindra eo amin’ny fikarakarana. “Miha mitombo hatrany ny olona tia mi­ompy alika tsara karazana eto Madagasikara, raha ny zava-misy”, hoy Andry Petoulet Raveloson, mpiandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny ACYM, […]