Mois : mai 2025

WMG: nanampy ireo ankizy voan’ny homamiadana

Nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy voan’ny aretina homamiadana, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha, ny fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), ny zoma lasa teo. Voalohan-daharan’ny fikambanana ny hanampiana ireo olona sahirana ara-pivelomana. Ta­min’ity, nitodika manokana tany amin’ireo ankizy marary vo­an’ny aretina homamiadana ny hetsika nataon’izy ireo. Voa­kasaik’izany indrindra ireo sahirana […]

Papa Leon XIV: “Mbola maro ny fifandirana”

Notanterahina ny alahady teo ny fankalazana manetriketrika ny sorona Masina fametrahana an’i Papa Léon XIV amin’ny toerany. Natao tao amin’ny Kianjan’i Md Piera izany. Niatrika izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta avy amin’ny firenena maro. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’izany. “Mbola maro ny fifandirana, ny ratra vokatry ny fankahalana, herisetra, […]

Teknolojia: tonga eto amintsika ny AI4Good Festival

Handray anjara amin’ilay fifaninanana irasaim-pirenena IA4GOOD Festival i Madaga­si­kara. Fifaninanana ampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) natokana ho an’ny tanora 12 ka hatramin’ny 25 taona. Hifantoka amin’ny fa­moronana horonan-tsary fohy 1-2 minitra amin’ny alalan’ny fampiasana ny IA ny lalao. Hivoitra ao anatin’izany ny tetikasam-panabeazana, ny ankizy sy ny tanora ao anatin’ny […]

Hiavaka ny fankalazana ny 26 jona: hametrahana tsangambato lehibe eo Analakely

« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io no tara-kevitra voafidy entina hankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy Malagasy. Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy oma­ly, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana izany. Nitarika ny fampahafantarana ny minisitry ny Foloalin­dahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka […]

Faritra Fitovinany: nojerena ifotony ny fiahiana sosialy

Tontosa ny fidinana ifotony nijerena ireo sehatra fiahiana ara-tsosialy tanterahin’ny ONG Tanintsika tao amin’ny kaominina Ambila. Nanatanteraka izany ireo tomponandraiki-panjakana ao anatin’ny faritra Fitovinany, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), notarihin’ny solontenany voalohany eto Madagasikara, i Tania Goossens. Tetikasa miisa roa no notsidihina tamin’izany: […]