Fianakaviana iray mifototra sy mivelona amin’ny fananganana fanaka sy haingo ao an-tonkatrano Randrianandrasana Miarisoa. Niatomboka tamin’ny fitsirian-kevitra hanatsara ny asa izay efa nataon’ny rafozany, an-taonany maro, izy. Tovolahy iray mamelona vady aman-janaka amin’ ny fanamboarana fanaka vita amin’ny vy sy melamina, Randrianandrasana Miarisoa, tompon’ny orinasa AMC Deco-Design. Araka ny fanadihadiana […]
Mois : mai 2025
Nosy Hara: nilanja 4 kilao ny horita iray
Nisokatra ny 12 mey teo ny taom-panjonoana horita any amin’ny Faritra arovana Nosy Hara, kaominina Andranovondronina, distrika Antsiranana II. Mitantana ity Faritra arovana ity ny Madagascar National Parks (MNP). Nitontaly 36,544 taonina ny vokatra azo tamin’io andro voalohany nisokafan’ny fanjonoana io. Fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono any an-toerana izany satria […]
Haban-tseranana: matotra ny fiaraha-miasa Chine-Madagasikara
Mibahan-toerana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifampiraharahana amin’ny lafiny haban-tseranana. Manoloana izany, nitsidika teto Madagasikara ny delegasiona sinoa, tarihin’ny minisitra lefitra miadidy ny Fitantanana foibe ny ladoany, Wang Lingjun, ny 14-16 mey teo. Manan-danja ity fitsidihana ity, nanamafisana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Chine, tsy mitanila sady samy ahazoan’ny roa […]
Base Toliara: miditra amin’ny andiany faharoa ny fanofanana arakasa
Miditra amin’ny andiany faharoa amin’ny fanofanana ny mponina eny ifotony ny orinasa Base Toliara. Miompana amin’ny fanorenana sy rafitra biriky izany. Mitohy ny tohana ataon’ny tetikasa Base ny vondron’olona eny ifotony. Nomena fiofanana arakasa mahakasika ny fanorenana fotodrafitrasa na rafi-trano, ho an’ny fianakaviana tompona fasana any amin’ny fokontany Tsiafanoky sy […]
Kalitaom-pampianarana: nanao atrikasa fanavaozana ny ES.DES
Nanatanteraka atrikasa fanavaozana (atelier de reforme) tetsy amin’ny Kianja Cnaps Vontovorona ny sekoly ambony tsy miankina ES.DES, ny alakamisy lasa teo. Atrikasa nahafahana nampihaona ireo mpampianatra rehetra eo anivon’ny sekoly sy ireo tomponandraikitra 20 any amin’ny faritra. « Kihon-dalana lehibe ahafahana mitodika sy hametrahana paikady entina miatrika ny 10 taona manaraka izao», […]




