Fifanaraham-piaraha-miasa telo sosona no vita sonia ny 16 mey, teny amin’ny Phare Ivandry, eo amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ary ny ONG Women Lead Movement Madagascar (WLM). Kendrena ny hampiroboroboana ny miralenta, eo amin’ny lahy sy ny vavy, famerenana […]
Mois : mai 2025
Tapany avaratry ny Nosy : Miaro ny ala honko ny faritra sy ny kaominina
Miisa dimy ny faritra (Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny) ao anatin’ny Vovonana fitantanana ny Faritra arovana (PFGap) Avarabe Lovainjafy. Anisan’ny sahanin’izy ireo ny fiarovana ny ala honko sy ny rohivoahary any an-toerana. Nohazavain’ny Talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana (DID) faritra Sofia, sady filoha lefitry ny PFGap Avarabe Lovainjafy, Fidèle […]
INDRAY MIJERY
Namoaka ny vokatra avy amin’ny rafi-pamokarana maharitra amin’ny faritra avo eto Madagasikara ny Foibem-pikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ambanivohitra (Fofifa). Anisan’ireo nampirantiana ny karazam-bary an-tanety, ny fiompiana trondro an-tanimbary, ny fampiasana ny kankana sy ny zezika azo avy aminy. Mpikaroka 60 avy amin’ny AfricaRice, Fofifa, Fifamanor, GSDM, Oniversiten’Antananarivo, Cirad ary IRD […]
“Global AI talent empowerment 2025 » : Solontena 4 ny an’i Madagasikara
Handray anjara amin’ny hetsika «Global AI Talent Empowerment (Gaite) 2025”, karakarain’ny International Olympiad in Artificial Intelligence IOAI, i Madagasikara, araka ny fanambarana nataon’ny Stem for Good. Tovovavy efatra dia i Fitizo, Manasoa, Mendrika ary Ainafi no hisolo tena antsika miaraka amin’ny mpitarika Rakotoson Cynthia izay manana traikefa amin’ny tantsoroka ho […]
Fifaninanana ara-pikarohana – « MT 180 » : Nisongadina ny zava-bitan-dRazafindramaso Nasolo
Notanterahina afakomaly, tetsy amin’ny IFM Analakely, ny famaranana ny hetsika fanaovana ny tati-pikarohana ao anaty 3 minitra « Ma thèse en 180 segondes (MT 180)», andiany fahafito. Nahazo ny laharana voalohany, tamin’izany, Razafindramaso Nasolo, vehivavy mpikaroka avy ao amin’ny Oniversite Antananarivo. Novelabelariny nandritra ny fe-potoana voafetra ny resaka « Agro industrie alimentaire, passage […]




