Mois : mai 2025

Avy amin’ny fanjakana japoney : Lycée teknika telo hahazo fampitaovana

Natao tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, ny fanaovan-tsonia fampitaovana ny Lycée teknika telo eto Madagasikara. Avy amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena japoney Jica izy ity ary hatolotra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Fampitaovana ho an’ny Lycée teknika telo: Toamasina, Alarobia ary Ampasampito ireo fitaovana raitra ireo […]

TARATRY ny KANTO

« Ny hasin’ny Teza eo amin’ny Betsileo ». io ny lohahevitry ny atrikasa karakarain’ny Mozean’ny Oniversiten’Antananarivo, izay hatao anio manomboka amin’ny 10 ora, eny amin’ny ICMAA Isoraka. Hizara fahalalana mandritra izany Rakotozafy Andriana avy any Kiangara, Andriamilanto (ben’ny Tanànan’i Sahatona) ary Rahajasoa, mpiresaka. Nosafidiana noho ny fifehezany ny lohahevitra izy ireo. Hotontosaina […]

Ho fampitiavana ny teatra: Holalaovina an-tsehatra ny « Iza no izy » ?

« Iza no izy » ? Tantara nosoratan’i Willy Rabarijaona. Holalaovina an-tsehatra, etsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny Sekoly Sainte Famille Mahamasina, ny alahady 1 jona izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tan­taram-pitiavana nanamarika ny vanim-potoanan’ny « tolona » tamin’ny taona 1947. Tazana ao anatiny ihany koa, anefa, ny hatsikana eny an-tsefantsefan’ny tantara. Ani­san’ny tanjona amin’izao seho […]

« Playlisitra »: Hiray sehatra ireo mpiangaly rap ankehitriny

Rap mampiray. Rap mitondra hafatra. Hampitan’ireo milomano ao anatiny ny fijeriny izay miainga anatin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana ny hetsika. Tsy hoe ratsy sy tsara ! Fa misy kosa ny zokiny sy zandriny amin’ireo samy mpisehatra amin’ny rap gasy. Miezaka manome sehatra ny rehetra ny vondrona Kolon­tsaina Mainty. Taorian’ny « Zaza Rap Taiza » […]

Fanabeazana maha olona: Misy fiantraikany amin’ny toe-tsaina ny mozika henoina

Fialamboly, manala sorisory, mandrotsirotsy… Samy tranga sy zava-misy ateraky ny fandrenesana mozika avokoa ireo. Mazana, hatreo ihany ny fandraisan’ny olona ny fiainana miaraka amin’ny mozika. Tsy ampy anefa izany… Na tsy mba nilona tao anatin’ny siansa naharitra aza ny Malagasy, manana fahalalana mampiaiky volana izao tontolo izao izy amin’ny maha […]