Mois : mai 2025

Tratra nivarotra rongony : Telo lahy nalefa eny Antanimora

Notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy mpivarotra rongony, taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny zandary, ny alin’ny alatsinainy 12 mey teo. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana, vaky trano nifanena tamin’izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany io mpanao ratsy io rehefa nahatazana ny mpitandro […]

Antenimierampirenena ; Tsy mbola nandray karama ireo Assistant parlementaire

Nahitsy ny sasany amin’ireo solombavambahoaka fa tena very ny hasin’ny Antenimierampirenena manoloana ny anaovan’ny fahefana mpanatanteraka azy ireo. Tsy misy firaharahana ireo fanapahan-kevitra lehibe eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny tsy fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona ity. Tahaka izany koa ny tsy nanaovana ny fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka […]

Eto an-drenivohitra: 45 ireo zaza nitsoaka

Nihamaro isa ny filazana zaza very sy ombay mitady eny anivon’ny tambajotran-tsosialy amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 45 ny isan’ny ankizy mitsoaka sy mandositra ny tranon-dray aman-dreniny teto an-drenivohitra, tamin’ity taona 2025 ity, raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisim-pirenena. 29 ny vehivavy amin’izy ireo, raha 16 ny lehilahy. Tandrevaky […]

Fisolokiana amin’ny “Augure” : Niantso ny mpiasam-panjakana ho mailo

Namoaka fanambarana ireo minisitera roa, ny avy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa sy ny avy ao amin’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Niantso fahamailoana sy nampitandrina ny mpiasam-panjakana izy ireo. Nambaran’ireto minisitera roa ireto fa misy tranga fisolokiana manodidina ny fitantanana ny mpiasam-panjakana “Augure”. Hentitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana […]

Tafika ana habakabaka : Nankasitrahana ireo nahavitabe

Nankalazaina teny amin’ny toby famaharan’ny Tafika ana habakabaka Ivato (Escadron Hélicoptère), omaly, ny faha 64 taona ny Tafika ana habakabaka. Lanonana teo ambany fiahian’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Rakotoa­rivelo Deramasinjakana Manantsoa, notronin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloa­lindahy. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly […]