Nanatanteraka fitsidihana tany Egypta, ny 10 ka hatramin’ny 13 mey 2025 lasa teo, ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Monja Delphin. Nandray azy tamin’ny fomba manetriketrika tao Le Caire, ny minisitry ny Fiarovana egyptianina, ny Jly Zaki Mohamed. Niompana tamin’ny fanatsarana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy […]
Mois : mai 2025
Fanaovana sary amin’ny rindrina: niainga tamin’ny fanarahana alok’olona iray
Asa maro mpanao ny fiangaliana sary amin’ny rindrina, eto Madagasikara. Asa tanana mahaliana ny maro izy io satria mahasarika ny mason’ ny mpijery. Anisan’ny asa tanana maro mpanao ny sary amin’ny rindrina na ny « graphiti » amin’ny fiteny frantsay, eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny, mitovy amin’ny fanaovana sary hosodoko amin’ny taratasy […]
Fiainam-pikambanana: isehoana disadisa ny Fitefato
Isehoana olana ny fikambanan’ny zanaka Toliara monina sy mipetraka eto Toamasina, (Fitefato) taorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitantanan’ny filoha teo aloha. Tokony hifandimbiasan’ireo disitrika sy faritra efatra mandrafitra ny faritanin’ i Toliara, isaky ny roa taona ny fitantanana, araka ny fitsipika anatiny. Nisehoana fifanenjanana sy fifanaratsiana teny an-tambajotran-tserasera anefa ny filoha vaovao, avy […]
Fampandrosoana eny ifotony: hanohy ny asa efa natombony any Antalaha ny JCA
Nambaran’ny filohan’ny “Jeunes cadres d’Antalaha – JCA”, Nerapide Jaonary, fa anisan’ny laharam-pahamehan’izy ireo ny fanajariana ny tanànan’Antalaha ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’izy ireo izany. «Tsy natao ho an’ny fitondram-panjakana foibe ihany ny fampandrosoana fa andraikitra ifampizaran’ny rehetra. Antony nahatonga anay nanatanteraka ireo asa teo aloha ary mbola manohy izany amin’izao […]
Chine-Madagasikara: nohamafisina ny fiaraha-miasa
Nandray ny solontena avy amin’ireo oniversité efatra any Chine: Shanghai Normal University, Xiangtan University, Université des Beau Arts de Chine ary Beijing University, ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison. Teny Ankatso tamin’ity herinandro ity no nanatanterahina izany. Fivoriana mahakasika ny fiaraha-miasa akademika sy siantifika no tanjona ka hanamafy ny fifandraisana efa […]




