Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny ankizilahy 12 taona nandoro kidoro am-polony tao Ampasambazaha, kaominina Fianarantsoa. Nitrangana fahamazaina tampoka tao amin’ny toeram-pivarotana kidoro iray tao an-toerana, ny alahady 25 mey teo, tamin’ny 2 ora tolakandro. Nirehitra tampoka ny kidoro namidin’ny tompon-tsena. Nalaky azon’ny afo ireo entana ireo ka niteraka fatiantoka […]
Mois : mai 2025
Nilaza ho mahatafiditra mpiasa: Mpisoloky naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja ilay lehilahy mpisoloky voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Olona miisa efatra nametraka fitoriana noho ny fisandohana nataon’io lehilahy io. Nilaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny orinasa Jirama izy. Mody miantso olona amin’ny alalan’ny telefaonina. Miresaka mombamomba azy amin’ilay olona ho solokiana izay tsy lavitra azy aorian’izay. Noreseny […]
Asa ratsy eto Antananarivo : Lehilahy roa tratra nangalatra sy namaky trano
Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangalarana sy famakiana trano teto an-drenivohitra, afakomaly. Nikasa hangalatra moto tetsy Tsimbazaza ny iray, namaky trano tetsy Ambodihady kosa ny faharoa. Mbola mitohy hatrany ny asa ratsy fangalarana sy famakiana trano ataon’ny olon-dratsy eto Antananarivo, na dia efa maro aza ny ezaka ataon’ny mpitandro […]




