Mois : mai 2025

Rosa Club de l’Imerina: 65 taona nanabeazana mpilalao sy mpanazatra sangany

Mananika ny faha-65 taonany ankehitriny ny Rosa Club de l’Imerina, taranja rugby. Fileovana tsy miala an-daharana fa mijoro hatrany ary miatrika foana ireo fifaninanana isan-tsokajiny. Nandia vanim-potoana sarotra saingy nahavita dingana goavana izy ireo. Satria, namoaka mpanazatra sy mpilalao sangany maro mandrafitra ny ekipam-pirenena. Anisan’ny fileovana rugby eny amin’ny kartie, […]

Boulevard Ratsimilaho : Polisy kaominaly matin’ny lozam-pifamoivoizana

Moto nandeha mafy ka tsy nahafehy izany ny mpitondra ary nianjera. Nipitika teny amin’ny sisin’arabe ny lehilahy iray ka nitarika ny fahafatesany, tao amin’ny Boulevard Ratsimilaho, Toamasina, ny alahady 11 mey maraina teo. Tovolahy mpiasa eo anivon’ny kaominina manakaiky ambonivohitra Toamasina II izy. Polisy kaominaly no anjara asany amin’izany. Raha […]

Faritra Boeny : Ben’ny Tanàna 45 nametrahana samboady

Tontosa ny zoma lasa teo, tany Marovoay, ny fametrahana ny samboadin’ireo ben’ny Tanàna miisa 45 lany tao amin’ny faritra Boeny. Teo ambany fiahian’ny filo­han’ny Antenimierampire­nena, Tokely Justin ny lanonana. Niara-dalana tany an-toerana ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’i Mahajanga, Soafilira Princia, sy ny solombavambahoaka rehetra avy amin’ny faritra. Nitarika ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nidera ny ezaka vitan’ny ben’ny Tanànan’Anosy Avaratra, Rakotondralala Marino ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard. Telo volana nitantanana fa nahavita kianja telo samihafa, ho an’ny tanora. “Aoka isika hibanjina ny hampandrosoana ny kaominina. Tokony hatsahatra ny adilahy politika, ny fisainana ory hava-manana”, hoy izy. Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny […]

Filoha nasionalin’ny antoko Freedom : “Tsy mitsikera fa milaza ny maharary ny vahoaka”

Namarika ny taom-pikatrohany ny antoko Freedom ny sabotsy teo, teny Ivato. Nam­baran’ny filoha nasionaliny, Rakotondrazafy Lalatiana tamin’izany fa mbola manohana feno ny filoha Rajoelina Andry izy ireo. “Tsy manakiana ny fitondram-panjakana izahay fa milaza kosa ireo maharary ny vahoaka. Tokony hitondrana vahaolana ireny”, hoy izy. Nohitsiny fa maro ireo tsy […]