Saron’ny zandary ny herinandro teo, ireo jiolahy mpamotika ny ala arovana ao Andavakomena, kaominina ambanivohitra Andevoranto, distrika Bricakaville. Maro ireo mitaraina noho ny afitson’ireto tsy mataho-tody ireto, antony nandraisana ny fepetra. Nody ventiny ny rano natsakaina ka nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy mpanimba ny harem-pirenena, iray lakambe. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa […]
Mois : mai 2025
Fampandrosoana ny toekarena : Hamatsy vola ny TPME ny BNI sy ny FOM
Miara-dalana hanohana sy hamatsy ny orinasa tena madinika sy salantsalany (TPME) ny BNI Madagascar sy ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy (FOM), ho fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny toekarena maharitra eto Madagasikara. Vita sonia ny zoma teo, tetsy Analakely, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny BNI Madagascar sy ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM) ho an’ny famatsiam-bolan’ny […]
INDRAY MIJERY
Ny tombokavatsa na tatoazy, na dia mahazatra aza, mety hiteraka olana ara-pahasalamana raha tsy atao ao anatin’ny fepetra ara-pahasalamana tsara indrindra. Ny risika lehibe indrindra dia ny areti-mifindra amin’ny hoditra, bakteria na viriosy (hepatitis B, C, VIH). Na lamaody aza ny tatoazy mila fitandremana fatratra ny manao azy. Vao tsy […]
Tsimbazaza : Miroso ny fanarenana ny valan-javaboahary
Nanatanteraka fanadiovana faobe tao amin’ny valan-javaboahary tsimbazaza ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanarenana ity valan-javaboahary ity ny hetsika izay efa nanaovana ezaka manokana mihitsy taorian’ireny fahaverezana sokatra sy baranahiny teo aloha ireny. Efa mitsangana ny vaomiera iraisan’ireo minisitera […]
Faritra Alaotra Mangoro : Nofanina ireo mpandraharaha
Herinandro ny fampiofanana nomena ireo mpandraharaha ara-pambolena sy fiompiana natao tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro teo. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana tao amin’ny fikambanana Edugascar sy ny teknisianina. Nijery ny zava-misy sy ny fomba fanao entina hamokarana vary sy hiompiana […]




