Mois : mai 2025

Vondrona Viseo: Orinasa telo nahazo ny mari-pamantarana ISO 9001-2015

Manamafy ny fahatokisan’ny mpanjifa ny fananan’ny orinasa iray mari-pamantarana izay manan-kery amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niara-nientana ny mpiasa 800 nahazoana izany. Nahazo ny « Certification ISO 9001-2015 » ny orinasa telo ao amin’ny groupe Viséo, avy amin’ny SGS Madagascar vokatry ny ezaka nataony hanatsarana ny kalitaon’ ny tolotra sy ny tontolo manodidina ao […]

Eny amin’ny tobim-pahasalamana: Tanjona ny famatsiana fanafody tsy tapaka

Tanjon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny tsy hisian’ny fahatapahan’ny fa­matsiana fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana. Iza­ny indrindra no hisian’ny lamina matipaika sy fanaraha-maso tsy tapaka. Enjehina ireo mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna, indrindra eny amin’ny tambajotra sosialy izay toa lasa sehatra miharihary sy bizina mihitsy teo aloha. Nampiana tamin’ny alalan’ny fiofanana nomena ireo manam-pahaizana […]

Fahasalamana: Mitentina 19 miliara Ar ny tetibola ividianana fanafody

Nitondra ny tsara ho fantatra momba ny fitantanana fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitalim-panjakana ny tomponandraikitra ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Tsy mazava amin’ny olona ny fitsinjarana fa­nafody sy ny karazam-panafody sitrahina maimaimpoana, izany indrina no antony nitondrana ny fanazavana. Hatraiza ny fanomezana fanafody maimaimpoana ary kazarana fanafody inona avy […]

TARATRY ny KANTO

Hamerina ireo hiran’i Bessa sy Lôla ry Mahery, Nanie, Farakely ary Faniry Raelison. Hotontosaina rahampitso ity seho ity, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Saika ireo hira rehetra nahafantarana an’i Bessa sy Lôla no haverin’izy ireo amin’io, raha ny fanazavana. Nilaza rahateo i Mahery fa efa nangata-tsodrano tamin’ny tompon-kira, nandritra ny fandalovany […]