Mois : mai 2025

30 taona ny Paositra rapida: Hanome tolotra tsara kalitao nefa mora

Nosokafanana tamin’ny alakamisy ny fankalazana ny faha-30 taona ny Paositra Rapida. Vanim-potoana ha­metrahany ireo fanamby vaovao sy goavana ary tolotra tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. «Mivoitra manaraka ny toetrandro ny Paositra Rapida amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia sy ny haitao ara-kajy mirindra hamantaran’ny mpanjifa ny fotoana ahatongavan’ny entany amin’ny sarany […]

Fifanarahana Bâle: Dinihina ny akora sy ny fako simika

Nisokatra ny 28 avrily teo, ary mifarana anio 9 mey, any Genève Soisa, ny fihaonamben’ny Fifanarahana iraisam-pirenena na « Conférence des Parties » (COP), andiany faha-17, mahakasika ny Fifanarahana Bâle, Rotterdam ary Stockholm (BRS). Lohahevitra dinihina ny « Fitantanana ara-drariny ny akora simika sy ny fako ». Nodinihina ny fiantraikan’ny akora simika sy ny […]

Fampandrosoana : Sarotra ny fitadiavana asa eto Madagasikara

Mananosarotra ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa ho an’ny Malagasy, tanora sy nahavita fianarana, noho ny tsy fahalalana izany. Vahaolana ny fandraharahana saingy mitaky finiavana manokana. Sakana ho an’ny tanora ny tsy fananana traikefa sy ny tsy fahalalana ny tontolon’ny orinasa. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fampandrosoana » […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina anio sy rahampitso ny lalao 1/16 ndalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « Yas Coupe de Madagascar ». Misy amin’ireo klioban’ny PFL no efa nandefa taratasy tany amin’ny Federasionin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy hiatrika izany, noho ny halaviran’ny toerana hilalaovana. Hanomboka anio ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1A, […]

“Women’s cup 2025” : Hidona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya

Navoakan’ny Malagasy Rugby sy ny Rugby Afrique tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny fandaharan-dalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Women’s cup”, taranja rugby, vehivavy. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 7 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra ahitana an’i Madagasikara mpampiantrano, […]