Mois : mai 2025

TSELATRA

Tsy fanarahan-dalàna. Moto enina miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra teny Ambohijatovo, naiditry ny polisy am-balam-pamonjana, omaly. Tsy fitandremana sy tsy fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana tahaky ny nataon’ireo mitondra moto enina tratra ireo matetika no mitarika ny loza an-dalambe. Tafaverin’ny mpitandro filaminana tamin’ny tompony ireo omby fito lasan’ny jiolahy tany Maevatanàna. […]

Teo an-tokotanim-piangonana : Hita tany anaty ala ilay moto nisy nangalatra

Mirongatra ny halatra fiara sy moto amin’izao fotoana izao. Moto scooter BWS iray indray nisy nangalatra teo an-tokotanim-piangonana eny Talata Volonondry, omaly tamin’ny 7 ora maraina. Napetraky ny tompony vetivety teo an-tokotanin’ny fiangonana iray eny an-toerana ny moto fa hiditra anaty sekoly izy, tamin’io fotoana io. Tsy teo intsony anefa […]

Haintrano tetsy Tsarahonenana : Raim-pianakaviana maty kilan’ny afo

Namoizana ain’olona ny haintrano nitranga tetsy amin’ny fokontany Tsarahonenana, omaly maraina. Tokantrano 12 lasibatra. Raim-pianakaviana 75 taona namoy ny ainy, hotohoton’ny afo tao amin’ny trano fonenany, tao amin’ny fokontany Tsaraho­nenana, boriborintany fahadimy, omaly maraina. Niainga tamin’ny tsena fivarotan-kazo iray ny firehetana. “Niainga avy amin’ny fifampikasohan’ny herinaratra ny afo, tokony ho […]

Tsipy kanetibe – «Tournoi des champions» : Lasan-dry Rado sy Menja ary Tovo ny amboara

Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja Para Ivato, ny “Tournoi des cham­pions”, taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana nokarakarain’ ireo mpilalao efa nisalotra ny anaram-boninahitra maneran-tany. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy senior, lehilahy, ny ekipa nisy an-dry Rado sy Menja ary Tovo avy amin’ny CBT sy Fam mitambatra. Lasan-dry […]