Anisan’ireo entana hita eny Analakely ihany koa ny taolan-kena. Nisy ny fanadihadiana mahakasika izany, omaly. Maro ireo fivarotan-kena eny Analakely. Misy amin’izy ireny nefa no mivarotra taolan-kena. Anisan’izany ny tsenan’Andrianirina Harilanto Dieu Donné, mpivarotra taolan-kena eo Analakely. Nisy ny fanadihadiana natao taminy teny an-toerana, omaly, mahakasika ny taolan’omby. Nambarany fa […]
Mois : mai 2025
Morarano Antongona : Fasana 3 indray vaky
Mirongatra ny vaky fasana any amin’ny kaominina Morarano Antongona, distrika Arivonimamo. Fasana miisa telo no indray nisy namaky, ny alin’ny zoma 23 mey teo. Lasan’ireo jiolahy ny taolambalo rehetra tao amin’ny voalohany, afa-tsy ny razana telo mbola tsy maina tsara. Razana iray ihany koa sisa no tsy lasan’ireo tsy mataho-tody […]
“Dubaï Business Forum”: Ambohi-pihaonan’ ireo mpandraharaha
Tanterahina any Dubaï, manomboka anio hatramin’ny 28 mey 2025 izao, ny fihaonambe ara-toekarena « Madagascar – Dubaï Business Forum ». Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha goavana eo amin’ny sehatra tsy miankina, Emirati sy Malagasy, any an-toerana mandritra izany. Handray anjara amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Izy izay hametraka ho laharam-pahamehana ny tontolon’ny fandraharahana, ny […]
Toliara: Tanora mandahatra ny hoaviny
Manana ny lanjany eo amin’ny fampandrosoana ny tanora. Nisy ny fanofanana azy ireo tany Toliara mba hahay andray andraikitra sy mitantana, handaminany ny hoaviny. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany Toliara ny « Youth connekt Madagascar » na tanora mandahatra ny hoaviny. Manohana azy ireo amin’izany ny fandaharanasa Fihariana, ny Pnud, ny UNFPA, […]
INDRAY MIJERY
Halefaka ny tsiokan’ny varatraza ato anatin’ny telo andro sy ny fiafaran’ny herinandro. Varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny fisasahan’ny herinandro. Tombanana hitoetra ny orana tandrifin-drahona any Avaratra atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hiverina ny orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka Atsinanana. 8- 26°C ny maripana ny maraina ary eo […]




