Hita faty tao anatin’ny ranon’Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly maraina, ny vehivavy iray 25 taona. Niala tao an-tranon’ ny ray aman-dreniny, teny an-toerana ihany, handeha ho any amin’ny namany izy, afakomaly, no izao hita faty izao. Vehivavy iray 25 taona, hita faty tao anatin’ny ranon’ Ikopa, tetsy Tanjombato, omaly tamin’ny 9 […]
Mois : mai 2025
Fanaovana voly mifandimby: Tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany
Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny toe-tany ny fomba fambolena tsy misy fiovana mihitsy. Manampy betsaka ny tantsaha sy ny tanora malagasy hiditra sy hampivoatra ny teknikam-pambolena ny fikambanana GSDM. “Efa zatra ny fambolena nentim-paharazana ny tantsaha ka sarotra be mihitsy ny manova ny toe-tsain’izy ireo satria efa fomba […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamokatra rano 4 800m3 fanampiny isan’andro ny “groupe de secours” hapetraka ao Nosy Be. Tanjona ny hamenoana ny tsy fahampiana 1 600m3 isan’andro ao an-toerana. Himasoana ihany koa ny fanoloana ireo paompy sy kojakoja efa simba. Havaozina ny rafitry ny famatsian-drano hanatsarana ny famokarana ao amin’ity nosy manitra ity. Tanterahana […]
DG Zafivanona Lainkana : Fitaovana mahomby ny « Intelligence Artificielle »
Natao ny 12 sy ny 13 mey teo ny fihaonambe iraisam-pirenena, «Forum Innovate the Future 2025». Notontosaina tany Dubai, Emirats Arabe Unis (EAU) nokarakarain’ny orinasa Webb Fontaine, miompana tamin’ny fikarohana mahakasika ny varotra iraisam-pirenena. Fotoana nihaonan’ny mpanapa-kevitra amin’ny ladoany sy ny seranan-tsambo aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Nodinihina ny lanjan’ny teknolojia […]
Nosy Be : Vita ny lalana mankany Andilana
Manodidina ny 80 km ny lalana narenina vita ao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Tao anatin’ny dingana voalohany ny eo Fascene mankany Andilana, mirefy 30km. Faharoa, eo Hell ville mankany Andilana, mirefy 39km. Manampy ireo, efa mandeha ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-6 mampitohy Ambanja sy Antsohihy. Njaka A.




