Mois : mai 2025

Filoha Rajoelina Andry : « betsaka ny asa vita, maro ny miandry »

Nitarika ny filankevitry ny minisitra tao Nosy Be, omaly, ny filoha Rajoelina Andry miaraka amin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany fa handehanana any amin’ny fampandrosoana izao fidinana ifotony izao. Nambarany fa natao hijerena ifotony ireo asa efa vita izany, fa eo ihany koa ireo mbola tokony hotontosaina anatin’ny fampandrosoana izao […]

Kitra – Mandrosoa Andramasina: Mitarika ny Black amin’ny “Tournoi 26 juin”

Efa hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana tsy ho ela ny fiadiana ny amboara “Tournoi 26 juin” ao amin’ny kaominina Mandrosoa Mandro­sohasina, tanterahana eny amin’ny Kianja Ambatobe Staduim. Mitarika vonjimaika amin’ny fananana isa aloha hatreto ny ekipan’ny Black avy ao Mandrosoa, ho an’ny eo anivon’ny vondrona A. Naha­zo fandresena indroa miantoana izy ireo. […]

SOMBIM-BAOVAO

Notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka ny ekipan’ny AC Sabnam, ny alatsinainy teo, teny Sa­botsy Namehana. Voahosotra ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izy ireo, ka nanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ity tanàna ity hetsika manokana. Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan. Araka ny fantatra, mbola hiverina any […]

CJSOI-andiany faha-13 : Efa anatin’ny fanomanana ireo atleta

Hotanterahina any Seychelles, ny 28 jolay hatramin’ny 10 aogositra izao, ny lalaon’ny Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien (CJSOI), andiany faha-13. Efa anatin’ny fiomanana avokoa ireo Malagasy atleta isan-taranja hiatrika izany fifaninanana izany. Ho an’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny 21 avrily ny fampivondronana ireo mpilalao. […]

Baolina kitra – “Cosafa cup 2025” : Tafaraka vondrona i Madagasikara sy i Maroc ary i Eswantini

Iray tarika ny Barea de Madagascar sy ny Lions de l’Atlas an’i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Azo lazaina fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta, amin’ity. Tontosa omaly, tao Man­gaung, Afrika Atsimo, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny […]