Mois : mai 2025

INDRAY MIJERY

Ho an’ny kaominina Ampahitrosy, efa namaritra sorabola ao anatin’ny tetibolany ny mpitantana ny kaominina ahafahana manatsara ny fahasalamam-bahoaka, indrindra ho an’ny vaksiny. Manana mponina 11 000 ny kaominina, mitsinjara amin’ny fokontany dimy. 3 000 eo ho eo ny ankizy latsaky ny 15 taona. 97% amin’ny zaza teraka no mahazo vaksiny, […]

Vondrona eoropeanina : Naranty ny tetikasa vatsiany vola

Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Herinandro natokana ho an’ny Vondrona eoropeanina ny Andro fampahafantarana ireo tetikasa vatsian’izy ireo vola eto Madagasikara notanterahina teny Ankatso, omaly. Maro ny fanohanana ho an’ny fanjakana malagasy amin’ny sehatra samihafa mifanaraka amin’ny politikam-panjakana, toy ny fambolena, ny fiompiana, ny ho an’ny tanora, ny tontolo iainana, ny […]

Ihorombe – Fijery hafa: Fanalahidin’ny fampandrosoana

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny distrikan’Ihosy, ny fandaharana «Fijery hafa», notarihin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Tanjona ny hanolotra fiofanana isan-karazany ho an’ny tanora sy ny hampiharany izany avy hatrany amin’ny sehatry ny asa. Manampy amin’ny fampandrosoana ny toekarena ao amin’ny faritra rahateo izany. […]

Fikambanan’ny vehivavy ben’ny Tanàna : Hanokana sorabola hanentanana ny fanaovam-baksiny

« Nanambara ny fahavononana amin’ny ezaka hampitombo ny loharanom-bola hahatsara ny fahasalaman’ny mponina, indrindra ny fanaovam-baksiny, ny fikambanan’ny vehivavy ben’ny Tanàna », hoy ny filohan’ny fikambanana, Andriambololona Laurence. Niakatra 28,6% mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ny tetibolan’ny fahasalamana ary nitombo koa ny vola ho an’ny fandraisana an-tanana vaksiny eto amintsika, araka ny voasoratra […]

Kandidà sy delegen’ny Avi: Mitsipaka ny voka-pifidianana

Mbola nanamafy ny kandidà sy ny delege miara-dia amin’ny Avi, avy any Andria­mena Tsaratanàna, fa mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tany an-toerana. Naneho ny alahelony izy ireo tamin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny biraom-pifidianana miisa 4 sy ny fahatratrarana hosoka. Efa lany tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny kandidàn’ny Avi, Rakotoarivony […]