Veloma farany, feno fihetseham-po. Nomem-boninahitra farany, teny amin’ny Oniversten’Antananarivo, ny profesora Elisa Rafitson, omaly Nodimandry ny alahady lasa teo ity mpampianatra mpikaroka, anisan’ny namaky lay ny fampianarana ny siansa momba ny ita sy ny serasera teto Madagasikara ity. Vory lanona ireo mpampianatra mpiara-miasa aminy, ireo mpianany taloha sy ankehitriny ary […]
Mois : mai 2025
Hazo ravinala : Tsy misaraka amin’ny fiainana andavanandron’ny Betsimisaraka
Anisan’ny karazan-kazo iray tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny foko Betsimisaraka ny ranivala. Ampiasaina hamonosana entana sy ny maro hafa izy io. Karazan-kazo hany tokana afaka misolo tena ny firenena malagasy any ivelany ny ravinala. Izy irery ihany no mitondra marika maha Malagasy amin’ny fampiasana azy, izay hitantsika amin’ny fiaramanidina. Tsy vitsy […]
Kaominina ambonivohitra Toamasina : Hanatanteraka ny fanamby ny ben’ny Tanàna
Tsy hihemotra amin’izay efa tapaka sy fanamby nataony tamin’ny vahoaka ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, ny mpahay lalàna Alain Andriafanomezantsoa, sy ny ekipany. Tato ho ato, nasehony tamin’ny fandraisany andraikitra ny fitazonana ny teny nataony. Tsy maintsy sokafana ny lalampasika rehetra izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina mba hitsinjovana […]
Analakely : Mpitondra moto voasambotra
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpitondra moto iray niteraka fitohanana teo Analakely, boriborintany voalohany, omaly tolakandro. Voakasiky ny fiara iray io lehilahy nitondra moto io. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny voakasika sy ny mpamily ny fiara. Nentin-katezerana, novelesin’ilay mpitondra moto tamin’ny aroloha teny aminy ny fitaratry ny fiara. Vaky ilay fitaratra. […]
Fidinana ifotony MFFT: Hofanina ireo mpitantana ny biraon’ny fananan-tany
Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny zo hanana tany eto Madagasikara, iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nidina ifotony ireo mpiasan’ny minisitera amin’izany. Hifarana anio, rehefa nanomboka afakomaly, ny fanofanana ny ekipan’ny fitaleavan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eo anivon’ny MFFT any Maevatanàna sy Mahajanga […]




