Hampitomboina ny fandraisan’ny orinasa tsy miankina anjara ao anatin’ny faritra ara-barotra malalaky ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Hapetraka ny paikady hampiroboroboana ny fifanakalozana enti-manatanteraka izany. Ankehitriny, manomana ny fidiran’i Madagasikara amin’ny maha firenena faha-49 ao amin’ny tsenan’ny Zlecaf ny fitondram-panjakana. Dingana ho an’ny fankatoavana sy hampahafantarana ny fizotry ny fifanakalozana ary […]
Mois : mai 2025
TSELATRA
Lehilahy telo voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny UIR Tsaralalàna, tao anatin’ny roa andro. Tratra noho ny fihazonana sy fidorohana zava-mahadomelina tetsy Anosibe sy Anosizato Atsinanana izy ireo. Nandritra ny fisafoana sy fisavana amin’ny alina ataon’ny mpitandro filaminana no nahatrarana azy ireo. Nentina eny […]
Nifampitifitra tamin’ny dahalo: Lambamena iray maty, efatra naratra
Dahalo efatra sy lambamena iray namoy ny ainy nandritra ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny fokontany Amboasary, kaominina Ambatomainty, distrikan’Ikalamavony, ny talata 20 mey teo. Nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy antsoina hoe lambamena. Handrava ny dahalo ekipan-dry Libertin izy ireo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ireo olon-dratsy. […]
Ampasika : Zazakely dimy volana narian’ny reniny
Zazalahy kely tokony ho dimy volana eo, nisy nanary sy nametraka tetsy Ampasika manamorona ny tetezana sy ny reninan’Ikopa, omaly tamin’ny 2 ora latsaka fahefany atoandro. Tsy nisy taratasy nahafantarana ny momba ilay tompon’antoka nanary ity zaza ity teny an-toerana sy ny manodidina nahitana ilay zaza. Raha ny fanazavana voaray […]
Ambatopotraka : Fasana efatra vaky, razana aman-jatony lasan’ny olon-dratsy
Tsy mitsaha-mirongatra ny vaky fasana sy ny halatra taolam-paty. Fasana efatra indray novakian’ny olon-dratsy, omaly, tany amin’ny fokontany Amboniloha, kaominina ambanivohitra Imerimandroso. Razana aman-jatony lasan’ireo jiolahy nandritra izany. Fasana efatra indray nisy namaky tany Ambatopotraka, fokontany Amboniloha, kaominina ambanivohitra Imerimandroso, disitrikan’Ambohidratrimo, omaly. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny razana aman-jatony maro tao […]




