Mois : mai 2025

Andrianainarivelo Hajo: “Tokony harovana ny sosialim-bahoaka…”

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­rivelo Hajo, omaly, fa nahitana fihenana lehibe tato ho ato ny fanampiana ara-bola avy any ivelany “Aide publique au développement”. Anisan’iza­ny ny fanampiana avy amin’ny vahoaka amerikanina (USAID). Miakatra hatrany ny vidim-piainana, ary vao mainka niharatsy ny toe-draharaha ara-toekarena taorian’ny fa­napahan-kevitry ny Banky foibe […]

Ho ferana 44°C ny tahan’ny alikaola: havela malalaka ny toaka gasy

Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe azon’ny rehetra atrehina, omaly, ny fanalalahana ny toaka gasy. Anisan’izany ny fahazoana mamokatra sy ny fivarotana azy. Misy fepetra arahina anefa izany. Tsy maintsy ampanarahana fenitra. Nolaniana izany tolo-dalàna momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy izany rehefa nasiam-panitsiana sy novaina. Lalàna natolotry ny […]

Fitsidihana ny any Nosy Be: Hitokana fotodrafitrasa maromaro ny filoha Rajoelina Andry

Anjaran’ny any avaratra indray. Any Nosy Be ny filoha Rajoelina Andry sy ireo delegasionina tarihiny, nanomboka omaly. Ankoatra ny filankevitry ny minisitra, maromaro ireo fotodrafitrasa hotokanana amin’izany. Manatanteraka fitsidihana any Nosy Be, ao anatin’ny faritra Diana, ny filoha Rajoelina Andry sy ireo delegasionina tarihiny hatramin’ny asabotsy 24 mey izao. Hotanterahina […]

TARATRY ny KANTO

Nodimandry i Ericka, mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany, raha ny vaovao nampitain’ ireo namany. Efa nolazoin’ny aretina nanomboka ny taona 2022 izy, saingy tsy nahatohitra izany intsony. Efa nisy ireo hetsika vitsivitsy nifanentanan’ireo namany samy mpampandihy sy mpanafana lanonana ho fanampiana ny fitsaboana azy. Hiran’ny omaly. Fampisehoana hikaloana ireo hira noforonin’i […]

Maka tahaka be fahatany: Volana jona, hitaky ny zony indray ny ankizy

Higadona afaka andro vitsy ny volana jona, na ny «Volan’ny ankizy». Ankoatra ny lalao, hitaky ny zony indray ny ankizy. Amin’ny ankapobeny, avy amin’ireo hetsika na fampirisihana omen’ny raiamandreny na karazam-pikambanana samihafa no mahatonga ireny ankizy ireny hiteny. Efa nahazatra ny Mala­gasy ny «manan-joky afak’olan-teny». Saingy, mivandravandra amin’ny fitakiana ataon’izy […]