Mois : mai 2025

Tantely: Mamokatra ny 75% ny sakafo maneran-tany

« Miantoka ny 75% ny zavamananaina maneran-tany ny tantely, mandrakotra ihany koa ny tontolo iainana », hoy ny mpandrindra ankapoben’ny tetikasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae), Radavidson Hervé Patrick. Antony ankalazantsika ny Andro maneran-tany ho an’ny tantely, natao tetsy amin’ny Carlton, omaly. Hetsika nokarakarain’ny minisitera Minae, ny minisiteran’ny Tontolo […]

Vary safiotra : Niakatra avo 3 heny ny vokatra

Novinavinaina ho 9 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hekitara ny vokatra ho azon’ny tantsaha any Ambohija­nahary, distrika Amparafara­vola, nandritra ny fotoam-panetsana, ny febroary 2025 teo. Nilaza Raholison Tahiry, anisan’ireo tantsaha miisa 1 358, nisitraka masomboly vary safiotra sy zezika tamin’izany fotoana izany, fa « tsapa ny fiovana sy ny fivoarana. Nitombo avo […]

Anosibe : Mpanendaka maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) tetsy Anosibe, ny jiolahy iray, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Malaza amin’ny fanaovana asa fanendahana miharo herisetra sady mpanao sinto-mahery izy io. Nikasa hanendaka mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana teny Anosibe ity jiolahy ity sy ny […]

Morontsiraka avaratra andrefana : Miha maro ny mpisehatra miaro ny ala honko

Rohy voahary manan-danja ny ala honko. Tandindomin-doza anefa izany noho ny fandripahana ataon’ny olombelona. Maro ireo mpisehatra manomboka miaro azy. Toeram-ponenan’ny ha­zan­drano maro, toy ny drakaka, ny akamba, sns, ary ireo trondro ahina ho lany tamingana ny ala honko. Nambaran’i Behanarina Hui­guens, lehiben’ny tetikasa ny orinasa Bôndy any Antsohihy, faritra […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny alatsinainy 19 mey teo ny delegasiona malagasy avy amin’ny MJKA (Madagascar Japan Karaté Association), hiatrika ny “Africa Cup”, any Japon. 4 mianadahy no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ity fifaninanana ity, ahitana an’i Mathieu, Mael, Nekena ary i Lanto. Ny ekipan’ny Guerreros Team no nandrombaka ny anaram-boninahitra klioba […]