Base Toliara: Mitohy ny fanazavana ny tetikasa

Notohizan’ny tomponandraikitry ny Base Toliara ny fa­nazavana sy ny fifanakalozan-kevitra mahakasika ny tetikasa, tany amin’ny fokontany enina (Ankilimalinike, Tsianisi­ha, Antapoake, Ranobe, Tsia­fanoky, Beravy Ambony), ao anatin’ny kaominina Ankilima­linike sy Tsianisiha. nohazavain-dResambany André, tale lefitry ny fifandraisana Base Toliara, ny lafiny ara-teknika, ny ambanin’ny tany, ny ara-tontolo iainana, sosialy sy toekarena, sns. Eo koa ny tombontsoa aterany mba hitondra fampandrosoana. Nanotrona azy ireo ny solontenam-panjakana sy ny sampandraharaha teknika isan-tsokajiny (fahasalamana, tontolo iainana, fambolena, fananantany, harena ambanin’ny tany), mba hisian’ ny mangarahara ka tsy hampiahiahy ny vahoaka. Notsipi­hin’ny sekretera jeneralin’ny faritra Atsimo Andrefana, Mosa Romain, fa mandritra ny 14 volana ny fanomanana ary hampahomby azy ny fanohanan’ny mponina.
Nilaza i Ferdinand, olobe sady tompon-tany any Tsia­fanoky, fa « tianay ny hisitrahana ny tombontsoa aterak’ity tetikasa ity, toy ny azon’ny mponina any Taolganaro amin’ny QMM. Tsy tianay hitarika posy bisikileta intsony ny za­nakay». «Nahafapo ny fanazavana ary ho zarainay amin’ ny hafa. Mazava ny fanonerana ara-bola ny tompon-tany », hoy i Remosa avy any Tsia­nisiha II. Ho an’i Delicia, filohan’ny fikambanam-behivavy Tsianisiha, « tsy andrinay ny hanombohana ny fitrandrahana. Fanirianay eto Beravy Ambony ny hisian’ny Asa Ta­namaro, sy ny hanohizana ny fanofanana ara-kasa sy ny asa sosialy ».

Njaka A.

Partager sur: